Politique

Safidin'Antananarivo Hamaritra ny tohin’ny tantara…


  • Alatsinainy 25 Novambra 2019

Manana anjara toerana manokana amin'ny politika sy ny tantaram-pirenena foana ny ben'ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Sokajiana ho manana toerana goavana ara-politika izay ho lany eo.

 

 

Ny kandidan’ny TIM dia Rina Randriamasinoro sy ny kandidan’ny IRK Naina Andriantsitohaina no sokajiana ho “favoris” eto. Hamaritra ny ho tohin’ny tantara politika eto io fifidianana io, na ho an’ny MAPAR eo amin’ny fitondrana na ny TIM, izay manohitra. Hiezaka hatramin’ny farany hitazona an’Antananarivo ny TIM, izay raha ny ara-taratasy dia manana tombony lehibe satria raha ny tamin’ny fifidianana depiote teo, dia nanatombo 45 000 tamin’ny vato azon’ny IRD no azony, raha hatambatra. Izaho tsy handeha hampanofinofy anao, fa zavatra azo tanterahina no handeha hataontsika. Hitantsika ny fahantran’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny “porte à porte” natao. Hitsangana ny rafitra hijery an’ireny ary hotohizana ny fidinana ifotony hahafaha-manatanteraka ny asa ho an’ny vahoaka, hoy izy nanoloana ireo vahoaka an’aliny. Manana fanantenana fa isika no ho lany. Hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asa tokony hatao aho, ary mila hery sy tanjaka ny fampandrosoana an’Iarivo, hoy izy. Fantatro fa tiantsika Antananarivo ary tsy tiantsika havotsotra. Mampitandrina amin’ny hala-bato fa tsy hisangy izahay, ary samy nosoran-dreniny menaka ka tsy misy matahotra izany eo, hoy i Rina Randriamasinoro. Vitantsika ny manarina satria isika manana programa feno sy matotra, ary manana ekipa matanjaka, hoy i Naina Andriantsitohaina omaly nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanohana azy tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina Mahamasina. Ataon’Antananarivo inona programa tsotra ? Hitondra fandrosoana tsy miangatra isika, ary izay no nahatonga anay nitety fokontany nandritra ny roa volana, hoy izy. Kandida iray ihany no afaka mifanaraka amin’ny fanjakana, dia izaho ihany. Ilaintsika haverina ny jiro, ny biraon’ny mpitandro ny filaminana ary mila ny mpitondra isika amin’izany. Na an-kolaka aza dia nanenjika mafy an’i Marc Ravalomanana noho ny fanohanana an’i Rina Randriamasinoro ny kandida Naina.  Hafana ity raharaha ity !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT