Politique

SADC Miandry izay havoaky ny CES


  • Zoma 03 Mey 2013

Tonga omaly eto Madagasikara ny delegasion’ny SADC tarihan’Atoa Joaquim Chissano, miandry izay didy havoaky ny CES na Fitsarana manokana momba ny fifidianana ny amin’ireo kandida afaka ny hiatrika ny fifidianana filoham-pirenena ity delegasiona ity.

 Azo ambara fa tohin’ny fehin-kevitra navoaky ny CPS na Vaomieran’ny fandriampahalemana sy ny filaminana teo anivon’ny Vondrona Afrikanina sy ny Troika-n’ny SADC ny amin’ny tsy tokony hisian’ny fanilihana be fahatany ny kandida izao anton-dian-dry Chissano eto Antananarivo izao. Hihaona amin’ireo vondrona politika ihany koa ity delegasiona ity ka anton-dresaka amin’izany ny fifidianana sy fanatanterahana ny tondrozotra. Tsy mbola niova hatreto aloha ny hevitry ny sehatra iraisam-pirenena fa dia tanterahana amin’ny 24 jolay izao ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, ary ampiharina manontolo ny tondrozotra, ny sisa andrasana izany dia ny fampiharana tanteraka ny andininy faha-17, 18 sy 20. Efa navoaka tsikelikely ihany ireo nosokajiana ho gadra politika, saingy mbola misy ny tavela any am-ponja.

Tsy mbola hita taratra kosa ny fanokafana ireo haino aman-jery nakatona ary teboka iray tsy mety tanteraka ny famelana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana hody an-kalalahana, tsy misy teritery, tsy misy fepetra. Maro no mihevitra fa karazan’ny manao tsindry an-kolaka amin’ny CES ny sehatra iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny SADC mba hanaiky ny filatsahan-kofidian’ireo kandida, heverina fa misolotena ny ankolafy politika goavana eto amin’ny firenena. Ny tanjona amin’izany dia ny hahafahan’ny rehetra miroso amin’ny fifidianana ao anatin’ny fitoniana. Voaresaka avy hatrany ao anatin’izay Ramatoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy, kandida voasokajy sahady fa goavana, Malagasy an-tapitrisany no miandrandra fatratra ny filatsahan-kofidiany. Mahafantatra tsara izany ny vondrona politika eto sy ny sehatra iraisam-pirenena, tsy vahaolana hampisy ny fitoniana mihitsy ny fanilihana azy, satria misolo tena vondrona sy ankolafy goavana izy, no sady mitondra ny teny sy ny hetahetan’ireo rehetra nahatsiaro tena fa nijaly sy voafitaka nandritra izao fitondrana tetezamita izao. Nanamafy i Joaquim Chissano omaly, fa tsy hanatrika ny dinika karakarain’ny FFKM eny amin’ny CCI Ivato

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT