Politique

SADC Handamina sa hanasazy amin’izay ?


  • Zoma 01 Jona 2012

Miatrika fivoriana tsy ara-potoana any Luanda renivohitr’i Angola nanomboka omaly ary hitohy amin’ity anio 01 jona ity ny SADC.

 Hibahan-toerana mandritra ity fihaonan’ny filoham-panjakana ity ny lafiny ara-toekarena. Na izany aza anefa dia tsy maintsy handinika ireo raharaha mafampana misy any amin’ireo firenana mpikambana ao aminy ny SADC ka anisan’izany ny krizy eto Madagasikara. Tsara homarihana moa fa ny filoha angoley Eduardo Dos Santos no mitantana ny SADC amin’izao fotoana ary i Angola, Mozambika sy Namibia no mandrafitra ny Troika. Ny 17 septambra 2011 no voasonia ny tondrozotra, nirosoana ny fananganana ireo rafitra, nifanaiky ny rehetra fa tetezamita iaraha-mitantana no apetraka eto. Tsy nivadika akory anefa ny taona dia efa nisy sahady ny taratasy fangataham-panazavana misimisy kokoa na fitarainana tonga tany amin’ny Troika, mahakasika indrindra ny fiaraha-mitantana.

Ny ankolafy Zafy Albert sy Marc Ravalomanana moa no tena nandefa taratasy betsaka indrindra tany. Na efa manana ny biraom-pifandraisany eto Antananrivo aza ny SADC dia tsy mbola milamina ihany ny toe-draharaha. Vao mainka aza mihenjan-droa ny tady. Mitombo isa ny mpanohitra ny tetezamita. Ifaninanana ny fidianana an-dalambe. Isaky ny sabotsy dia mirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso ary vavolombelona nahita izany ireo diplaomaty miasa ao amin’ny biraom-pifandraisan’ny SADC. Andrasana, araka izany, ny mety ho fehin-kevitra hivoaka any Luanda manoloana ny fikatsoan’ny fampiharana ny tondrozotra. Io ihany moa no vahaolana eken’ny sehatra iraisam-pirenena hatramin’izao koa manoloana ny fifandiran-kevitra izany dia tokony hisy ny fifampiresahana vaovao indray mba hikarohana ny marimaritra iraisana amin’ny fampiharana ny tondrozotra. Horesahana any Luanda ny raharaha Madagasikara, inoana fa efa mahafantatra tsara ihany koa ireo fanambarana maro samihafa tahaka ny navoaky ny ACP/UE ny SADC, mahafantatra tsara ihany koa ny olana misy eo amin’ny fiaraha-mitantana eto ka ho hita eo indray ny hevitr’izy ireo.

Amin’ny ankapobeny dia hita fa nihatra tamin’ny ampahany ny tondrozotra, ary voadingana tanteraka ilay andininy faha-20 momba ny fodian’ireo sesitany politika eto Madagasikara. Efa mba nampiharina tamin’ny ampahany ihany koa ilay andininy faha-16 mikasika ny fampitsaharana ny fanenjehana ara-pitsarana ireo mpanao politika. Mipetraka ary eto ny fanontaniana : moa va hiroso amin’ny dingana ambonimbony kokoa ka hanasazy amin’izay, ireo hita fa sakana amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra ny SADC sa hamoaka fanambarana misabaka tahaka ny fanaony hatramin’izay ihany ka hilaza fa anjaran’ny samy Malagasy no mifandamina sy mifanaraka ? Raha nety anefa izany, dia tsy nila SADC hanelanelana teto !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT