Politique

SADC Hamory ny mpanao politika !


  • Alakamisy 01 Martsa 2012

Misoko miadana ny fakan-kevitra ataon’ny biraom-pifandraisan’ny SADC eto amintsika.

 Nanomboka ny talata 28 febroary teo io fakan-kevitra io, ka voalohany noraisina tamin’izany, teny amin’ny foiben’ny SADC eny Ivandry, ny praiminisitra Omer Beriziky. Tsy nisy nipika moa ny resaka nifanaovana tamin’izany. Nangingina mihitsy aza moa ilay fihaonana. Teo ihany koa ny andro ratsy sy orana mikija teto an-drenivohitra tsy nisy re feo mihitsy ny akon’izany. Omaly dia ny vondrona politika Escopol indray, no nitafa sy nidinika tamin’ireto iraky ny SADC ireto. Fanomezana soso-kevitra ny amin’ny hahatsara kokoa ny fanatanterahana ny tondrozotra sy ny famahana ny krizy moa no tena votoatin’ny fihaonana. Araka ny fanazavan’ny CST Hery Rakotobe dia niteny tamin’ny solontenan’ny SADC ny escopol ny tsy tokony hanomezan’ity fikambanana ity intsony, karazana fe-potoana na ultimatum tahaka ny tamin’ny 29 febroary (omaly) teo, fa rehefa misy ny asa atao dia tanterahana am-pilaminana sy am-pahamatorana izany, fa tsy asiana teritery mihitsy na avy aiza, na avy aiza. Mbola hanohy hatrany ny fihaonana sy fifampidinihana amin’ireo hery politika eto Madagasikara moa ity biraom-pifandraisan’ny SADC ity.

Araka ny fandaharam-potoana dia mety hisy ny fihaonamben’ireo vondrona rehetra ireo amin’ny herinandro ho avy io, mba handravonana ny hevitra rehetra. Mazava ny resaka eto fa dia mbola mitohy ny fanelanelanana ataon’ny Southern African development Community, satria tsy tafapetraka eto ny tetezamita iaraha-mitantana, ary tsy hoe asa an-tselika ihany koa ny fanelanelanana fa mitohy hatrany mandra-pahavitan’ny fifidianana madio sy mangarahara. Izay rahateo no antony nanokafan’ny SADC biraom-pifandraisana eto, mba hanafaingana kokoa ny fifampiresahana sy fakan-kevitra, fa tsy voatery hiondrana any Afrika foana, isaky ny misy fifanolanana, na fifanipahan-kevitra momba ny fandikana sy fampiharana ny tondrozotra.

Tsy misy raikipohy vita lasitra ka mahavaha ny olan’ny firenena rehetra mandalo krizy politika sy sosialy, fa eo am-pandrasana no mahita ny atiny, lalim-paka loatra ny olana eto Madagasikara ka mila fitoniana sy fandinihana lalina, ihany koa ny famahana azy. « Processus » na dingana an-tanantohatra maromaro mitambatra ny famahana ny krizy, araka ny filazan’ny SADC azy, hatramin’izay. Noho izany dia mila fahavononana sy finiavana goavana avy amin’ny tsirairay fa tsy vitan’ny mokon-doha sy ny didin’ny be sandry fotsiny. Fiaraha-mitantana ihany no vahaolana satria efa tena voaporofo izao fa tsy nahavita azy i Andry Rajoelina sy ny ekipany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT