Tanteraka soa aman-tsara ny tsenabe “Fanamby” faha-4 tao Analavory-Itasy.
Voaporofo tamin’izany fa mamokatra sy manankarena ary manana ny mampiavaka azy ity Kaominina ity. Karazam-bokatra sy fitaovana isan-karazany no naranty tamin’izany ka singanina manokana ny fanodinana voankazo maina ho zava-pisotro sy ny fanamboarana zezika ara-biôlôjika. Nohahararaotina ny fidinan’ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana tany an-toerana hitokanana zava-bita maro. “Avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ny tenanay”, hoy i Ruffine Tsiranana nandritra ny lahateny nataony nefa tsy nasiana fanavahana mihitsy ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana atao miainga ifotony.
Tanjona ny fitsinjaram-pahefana tena izy sady misy vokany ho fampitoviana lenta ny Kaominina rehetra manerana ny nosy raha ny nambarany hatrany. Anisan’ny notokanana tamin’ity fotoana ity ny trano fianarana vaovao roa tao amin’ny Lisea vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny FRAM, ny Kaominina, ny Ministeran’ny fitsinjaram-pahefana, ny Ministeran’ny fanabeazana ary ny Fondation Angelà. Notokanana ihany koa ny tranom-pokontany tao Antanetimboahangy. Mbola misy Fokontany 7 nangataka “kit” hanamboarana tranom-pokontany ankoatra ireo maniry hanana tsena manara-penitra. Nivoitra tamin’ny kabary nifandimbiasana teto ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fahasimban’ny tontolo iainana ka mila fijerena manokana miaraka amin’ny fitondrana Foibe. Tsy ambanin-javatra koa ny fanirian’ny mpampianatra ho mpiasa raikitra. Farany, ho valin’ny fitarainan’ny faritra sy ny Kaominina momba ny famatsiana dia nambaran’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana fa efa lasa ny ampahany amin’izany saingy mandalo amin’ny sehatra maromaro izany vao tonga any an-toerana. Ny tambin-karaman’ireo mpiasan’ny Fokontany kosa dia tsy tafiditra ao anatin’ny tetibola tantanin’ny Ministeran’ny fitsinjaram-pahefana.
Nangonin’ i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.