Politique

Ruffine Tsiranana Nijery ifotony ny raharahan´ny Kaominin´i Toamasina


  • Alatsinainy 12 Desambra 2011

“Tsy hiandry ny taona 2012 ho avy ny famahana sy ny fandraisana fepetra mikasika ny olan´ny Kaominin´i Toamasina renivohitra.

 Tsy maintsy handray fepetra tsy ho ela ny governemanta satria maika ny famahana ny olana. Hita loatra ny fahorian´ny mponina sy ny fahasimban´ny tanàna ary ny tsy fandehanan´ny raharahan’ny Kominina”. Izay no anisan’ny nambaran´ny minisitry ny fanapariaham-pahefana, Rufine Tsiranana, izay tonga nijery ifotony ny raharahan´ny Kaominin´i Toamasina Renivohitra. Nihaona tamin´ireo tomponandraikitra samy hafa ny tenany, ka noraisiny voalohany ny PDS Rakotovao Mariot. 15 minitra teo no naharetan’ny resaka nifanaovan´izy ireo. Nilaza ny PDS fa tsy ampy azy ny fotoana niresahana, nefa maro ny zavatra tiany hambara. Nanaraka azy ny solontenan´ireo mpiasa mitokona. Naharitra 40 minitra teo ny resaka nifanaovan’izy ireo. “Tsara ny fihaonana, ampy anay ny fihainoana ny hetahetanay sy ny antony fitokonanay”, hoy ireo delegasiona ireto. Nohenoin-dRtoa minisitra ihany koa ireo mpiasa tsy mitokona.

Naharitra 30 minitra teo ny fihaonana. “Tsy misy ambara fa tsara ny dinika”, hoy izy ireo teo am-pivoahana ny fihaonana raha nanontaniana. Nanaraka izany kosa ny lehiben´ny Distrikan’i Toamasina I, avy eo ny talen´ny fitsinjaram-pahefana ao Toamasina. Noraisin´ny minisitra nihaona taminy mikasika ity raharaha ity koa ny zandary sy ny polisy ary ny miaramila izay nandraisan´ny lehiben´ny faritra Mahavimbina Alain anjara. Tao amin´ny biraon’ity farany rahateo no nanaovana ny resaka rehetra, amin´ny maha lehiben´ny Emmo-Reg azy ireo. Samy miandry izay ho vokatr’ity dian´ny minisitra Ruffine Tsiranana ity ny rehetra fa efa tena mameno tanàna ny loto ary miavosa fako, manginy fotsiny ny asa tsy mandeha, satria ireo tena mpanao izany ireto mitokona ireto.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT