Politique

Ruffine Tsiranana Nandray fahefana dia niverina teny an-kianja


  • Alakamisy 24 Novambra 2011

Hafa kely, tsy mbola fahita teo amin’ny tantaran’ny fitantanam-panjakana teto Madagasikara ny nitranga omaly.

 Olona efa nandray fahefana nefa mbola miverina mitolona eny an-kianja. Ny maraina tokoa mantsy dia niatrika ny fifamindram-pahefana nifanaovany tamin'Atoa Hajo Andrianainarivelo, minisitry ny fanapariaham-pahefana sy ny fanajariana ny tany teo aloha, izay voatendry ho praiminisitra lefitra miadidy ny fampiroboroboana ny fanajariana ny tany, tetsy Anosy Rtoa Ruffine Tsiranana, minisitry ny fanapariaham-pahefana vao voatendry. Nambarany tamin’izany fa dia niditra an-tsitrapo ny tenany ary nanisy fandeferana kely sy fieritreretana kely satria efa mijaly hoy izy ny vahoaka. Fandavana avy hatrany no nasetriny raha nanontanian'ny mpanao gazety mikasika ny mety ho nahazoany alalana tamin'ny lehiben'ny ankolafy misy azy.

Tsy asiana resaka alalana hoy izy fa voatendry aho ary hitondra ny anjara birikiko amin'ny fanarenana sy fampandrosoana ny firenena. Tsy midika ho fialany amin'ny ankolafy Ravalomanana izany raha ny teniny. Mikasika ireo Ben'ny tanàna kosa dia nanamafy izy fa mbola tsy fantatra mihitsy izay mety ho fanapahan-kevitra manoloana ny fahataperan'ny fotoana iasan'izy ireo. Mbola mila fandinihana betsaka izany, hoy izy. Anisan’ny raharaha maika miandry ny minisitra Ruffine Tsiranana ny fandaminana ny olana ao amin’ny tanànan’i Toamasina, Toliara ary Mahajanga. Nony tolaka indray anefa ny andro dia tazana teny amin’ny kianjan’ny Magro omaly Rtoa Ruffine Tsiranana, niaraka tamin-dry Mamy Rakotoarivelo, lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana sy ry Pr Zafy Albert. “Tsy miala amin’ny ankolafy aho ary ny ankolafy Ravalomanana no nanolotra ahy”, hoy izy. “Rehefa nantsoina izahay ary nazavaina tamiko ny fandehan’ny raharaha dia tonga ety aho sady tsy mahafoy ny Magro ihany koa”, hoy hatrany Rtoa Ruffine Tsiranana. Raha nanontaniana moa izy raha midika fametraham-pialana na fialana ao amin’ny governemanta Beriziky ny fahatongavany teny amin’ny Magro dia nambarany fa “mazava ho azy.

Tsy afaka ny ho sady ho eny aho no ety”. “Hatreto anefa aloha dia tsy mbola misy fametraham-pialana”, hoy ihany Rtoa Ruffine Tsiranana. Araka ny fanazavany dia voatendry ho mpikambana ao amin’ny governemanta Beriziky tokony hihazo ny kianjan’ny Magro koa ny praiminisitra lefitra Botozaza Pierrot, saingy noho ny voina nihatra taminy, dia ny fianjerana tamin’ny tohatra, no tsy nahatongavany teny an-toerana. Samy tsy niatrika ny filankevitry ny minisitra voalohany notontosaina teny Iavoloha izy ireo, sy ireo telo hafa, dia Rtoa Ihanta Randriamandrato, minisitry ny fiompiana, Rtoa Olga Ramalason, minisitry ny varotra ary Rolland Ravatomanga, minisitry ny fambolena, izay samy avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana. Teny amin’ny Magro koa i Tabera Randriamanantsoa, minisitry ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy avy amin’ny Ankolafy Zafy, tsy niatrika io filankevitry ny minisitra io. Sahiran-tsaina araka izany na ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina sy ny praiminisitra Omer Beriziky, manoloana ny zava-misy, hany ka na ny sarim-pianakaviana tokony ho natao omaly aza tsy tontosa indray.

Nangonin’i Soa sy Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT