Politique

Ruffine Tsiranana Mety hisolo PDS ny Ben’ny tanŕna


  • Talata 13 Desambra 2011

Nitsidika ny renivohitr’i Vakinankaratra ny Minisitry ny fanapariaham-pahefana, Rtoa Ruffine Tsiranana sy ireo mpiara-miasa aminy omaly alatsinainy 12 desambra.

 Nandritra izany no nihaonany tamin’ireo Ben’ny tanàna rehetra nanerana ny Faritra tao amin’ny lapan’ny Faritra Vakinankaratra niaraka tamin’ireo lehiben’ny Distrika sy lehiben’ny sampandraharaha isan-tokony ary ireo mpikambana avy amin’ny Parlemantan’ny tetezamita. Fitsidihina ofisialy fahatelo ity, hoy ny minisitra hijerena manokana ireo olan’ny Ben’ny tanàna amin’izao fifaranan’ny fotoam-piasany izao hahafantarana ny olana misy. Mahakasika ny fangatahana nataon’ireo Ben’ny tanàna amin’ny tsy tokony hanesorana azy ireo dia nahitsy ny minisitra nilaza fa isika dia tany tan-dalàna ka hajaina ny lalàna misy. Rehefa lany aloha ny “mandat” dia lany fa jerena izay fepetra tokony hifanaraka amin’izay mba tsy hisian’ny fahabangana amin’ny fitantanana ny tanàna ka mety ho ireo Ben’ny tanàna ireo ihany no hotendrena amin’ny endrika hafa na misy ireo tena soloina tanteraka.

Raha nanontaniana moa ny hevitr’ireo Ben’ny tanàna tamin’ny alalan’ny filohany Atoa Jimmy Alison Gabriela, Ben’ny tanànan’Ambatolampy dia sady tsy afa-po no nahazo fanazavana ihany izy ireo araka ny filazany ka miankina be dia be tamin’ny fomba fiasan’ireo Ben’ny tanàna izany ny mety hijanonany eo na tsia. Ny iangaviany fotsiny dia ny mba tsy hidiran’ny resaka politika indray amin’izay resaka fanamboarana rafitra izay ary matoky ny fahendren’ny mpitondra izy ireo. Ny zavatra tsapa moa amin’izao fotoana taorian’ireo fanendrena ny mpikambana ao amin’ireo rafitra samihafa amin’izao tetezamita izao dia hita ho hifandroritana tanteraka ireo Ben’ny tanàna ao Vakinankaratra amin’izao fotoana. Saika lany tamin’ny lisitra Tiako I Madagasikara mantsy ny ankamaroan’izy ireo kanefa efa nisy ny niaraka tamin’ny lehiben’ny faritra tao amin’ilay fikambanana “Miara-Mirona”. Izay no mampisavoritaka azy ireo rehefa niverina indray ireo parlemantera.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT