Politique

Rtoa Ruffine Tsiranana «Poakaty ny fampandrosoana raha tsy mandray anjara feno ny vehivavy»


  • Alarobia 14 Martsa 2012

«Tsy misy ny atao hoe firenena raha tsy teo ny Reny. Tsy misy ny atao hoe fianakaviana raha tsy teo ny atao hoe Reny».

 Nambaran’ny minisitry ny fanapariaham-pahefana Ruffine Tsiranana io, nandritra ny fankalazana ny andron’ny vehivavy tao Antsohihy. Amin’ny maha zanaky ny Faritra Sofia azy dia tonga nanamarika ny Andron'ny vehivavy 8 Martsa tao Antsohihy ny tenany sy ireo delegasiona nanaraka azy, na teo aza ny resaka nandeha fa nisy nikonona hanao hetsika hanoherana ny fahatongavany tany. Nandamoka anefa izany, satria dia ny lehiben'ny Faritra Sofia, Atoa Manambina, mihitsy no nitarika ny manampahefana nitsena azy teny am-pahatongavana. Tsiahivina fa nesorina tamin’ny toerany ary nosoloina PDS ny Ben’ny tanànan’Antsohihy, araka ny didim-pitondrana nosoniavin’ny praiminisitra. Ny minisitry ny fanapariaham-pahefana Ruffine Tsiranana no tonga nametraka ny PDS tany an-toerana iray volana lasa izay saingy 24 ora ihany dia naverina tamin’ny toerany ireo Ben’ny tanàna efatra voakasik’izany fanendrena PDS izany tany Sofia, ka anisany ny tao Antsohihy, ary. minisitra telo hafa indray no tonga namerina tamin’ny toerany azy ireo.

Tsiahivina fa nampiantrano ny fankalazana nasionaly ny Andron’ny 8 martsa ny tanànan’Antsohihy ny taona 2010. Tany Morondava ny fankalazana nasionaly tamin’ity 2012 ity. Nofidiana manokana ny teny filamatra hoe : “Ry Vehivavy, sahia ary mirotsaha mandray anjara feno amin’ny raharaham-pirenena ho antoky ny fampandrosoana maharitra”. Mikasika izay indrindra ny nilaza ny minisitra Ruffine Tsiranana, fa “hijanona ho lohahevitra poakaty fotsiny ny fampandrosoana maharitra raha tsy mandray anjara feno isika vehivavy. Tsy misy taranaka vanona raha tsy eo ny andraikitra sarobidin'ny vehivavy”. Nanetriketrika ny fetin'ny vehivavy tao Antsohihy. Fikambanam-behivavy miisa 125 no nandray anjara tamin’ny karnavaly lehibe namakivaky ny tanàna.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT