Politique

Rtoa Ruffine Tsiranana “Izao ianareo Ben’ny tanŕna vao tena olom-panjakana”


  • Alatsinainy 23 Jolay 2012

Nandritra ny hadimiana no nanofanana ireo Ben’ny tanŕna sy ireo filohan’ny filankevitra ary ny mpitantam-bolan’ny Kaominina teo anivon’ny Faritra Atsinanana, nampahafantarana azy ireo ny lalŕna sy ireo fepetra tsy maintsy arahina amin’ny fitantanana ny Kaominina.

 Nozaraina roa ny mpiofana ho an’ny Faritra Atsinanana, ka ny avy ao Toamasina I sy Toamasina II ary Brickaville natao teo anivon’ny renivohitry ny Faritra, ny avy ao Vatomandry, Mahanoro sy Antanambao Manampontsy ary Marolambo kosa dia tao Vatomandry no natao ny fanofanana azy ireo. “Izao ianareo Ben’ny tanàna vao tena olom-panjakana marina. Fantatrareo tsara ny lalàna sy tsy maintsy atao amin’ny fitantanana ny Kaominina sy fomba fampidiram-bola hahafahan’ny Kaominina mandroso ary ny fiaraha-miasa eo amin’ny rehetra ho tena mampandroso fa tsy fototry ny adin’ny Ben’ny tanàna sy ny filankevitra”, hoy ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana, Rtoa Ruffine Tsiranana, raha namarana ny fanofanana tao Toamasina.

Avy tany Maroantsetra sy Mananara Avaratra izy izao tonga tao Toamasina I izao. “Tsapanay fa anisan’ny olana tsy nampandeha ny Kaominina ireo nampiofanana anareo ireo, nisy rahateo ny fanadihadiana natao taloha nanomanana azy ity noho ireo lesoka hita, ka mitarika ny fanenjehan’ny fitsarana ny Ben’ny tanàna”, hoy hatrany Rtoa Minisitra. Nisy moa ny fizarana mari-pandraisana anjara ho an’ireo Ben’ny tanàna sy ny filohan’ny filankevitra nandray anjara tamin’ny fanofanana. Nisy koa ny fizarana ny karatra maha Ben’ny tanàna azy ireo mba hamantaran’olona fa olom-panjakana sy manampahefana ny Ben’ny tanàna amin’ny maha olom-boafidy azy, nefa matetika dia ailika sy ataon’olom-boatendry sy ny mpanao politika tsinontsinona mihitsy.

Am-bava fotsiny

Nandritra ity lanonana ity no nararaotana an-dRtoa Ruffine Tsiranana nanontaniana ny heviny mikasika ny fampiatoana amin’ny asany ireo minisitra “Zanak’i Dada”, ka nilazany fa “tsy misy taratasy mirakitra izany hatramin’izao fa am-bava fotsiny no nanambara izany. Manohy ny asanay izahay ary tsy mahasakana anay amin’izany ny fampiatoana anay, satria ny fanajanay tondrozotra no mahatonga anay nandray anjara tao anatin’izao fitondrana izao”. 

Rakoutou 

Sary : Ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana, Rtoa Ruffine Tsiranana (afovoany) raha namarana ny fanofanana Ben’ny tanàna tao Toamasina

 

ENCADRE 

Faritra 15 amin’ny 22 no efa nahavitana fanofanana hatreto. Ezahina hovitaina alohan’ny faran’ny volana septambra 2012 ny fanofanana ireo sisa.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT