Nafanafana ny toe-draharaha tao Maroantsetra omaly. Nirotaka ny vahoaka taorian’ny nampidiran’ny Fitsarana am-ponja lehilahy iray tompon’omby.
Maro ny olona very omby tany Maroantsetra ka mametraka fitoriana. Nisy rangahy iray, atao hoe “Siramamy”, izay efa in-telo nalefa tany amin'ny Fitsarana fa votsotra hatrany, ka tamin’izy navosotra farany tamin’ny desambra 2015 no niharan’ny fitsaram-bahoaka ka maty. Nanomboka ny fisamborana ireo lohandohany nitarika ny fitsaram-bahoaka taorian’izay, ka anisany ilay tompon’omby very ity sy olona roa. Vita famotorana teo anivon’ny zandary izy ireo dia navotsotra. Tsy nijanona teo anefa ny raharaha fa niakatra Fitsarana ny alatsinainy 29 febroary 2016 teo, ka tamin’izay no nidoboka am-ponja ny olona roa. Teo no nampitroatra ny Vahoaka.
Vahoaka nentin-katezerana no tonga tao amin’ny Tribonaly, omaly alakamisy 3 martsa tokony ho tamin’ny 11 ora, nanao amboletra niditra, namotika ny fitaratr’ireo birao, naka ireo antontan-taratasy tao ary nandoro izany teo an-tokotany. Voaray vozon’akanjo hatramin’ny lehiben’ny Fampanoavana aza, ary potika hatramin’ny fiara 4x4 fampiasany, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Nisy zandary iray vaky loha, voatora-bato ihany koa. Taorian’izay dia nirohotra nihazo ny fonja ny vahoaka, nitaky ny hamoahana tsy misy hatak’andro, ireo roalahy nampidirina am-ponja. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia ny lehiben’ny Fampanoavana no naniraka zandary, notarihin’ny komandin’ny kaompania ao Maroantsetra naka ireo olona roa tany am-ponja, ka tompon’omby very ny iray, mba hisorohana ny fahavakisan’ny fonja. Romotra tsy hay notohaina rahateo ny Vahoaka, hany ka na ny mpitandro ny filaminana tao an-toerana aza tsy nahatana azy ireo. Tsy mbola tonga tany amin’ny fonja moa ireo vahoaka dia efa navoaka izy roalahy. Niverina tamin’ny laoniny ny filaminana tao an-tanàna ny tolakandro.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.