Politique

Rostand Randriampilamanana ”Roa andro eto dia milamina raha miala Rajoelina”


  • Alakamisy 08 Septambra 2011

Tsy olana raha maika ianao Rajoelina, ampiharo ny tapaka tany ivelany ireny na mialŕ, fa raha miala ianao dia roa andro ny tany dia milamina, hoy ny mpanolotsaim-paritr’Ihorombe Rostand Randriampilamanana, tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly alarobia 7 septambra.

 Misy milaza fa sady tsy ilaina ny fankatoavana iraisam-pirenena no tsy ilaina koa ny Ankolafy 3 fa tohizo iny lalana iny. Izahay koa dia miteny fa raha sonia an-tsokosoko, tsy misy vavolombelona matanjaka, tsy hanao sonia ny Ankolafy 3. Niantefa any amin’ny Troika ny hafany, nilaza fa efa lasa kianjan’ny demokrasia ao Magro ka azo ampindramina handrefesana ny herin’ireo vondrona 8 hafa. Fahafahana ho an’ny vahoaka malagasy ny fialan-dRajoelina, hoy i Sazalahy Tsianihy, nanamafy izany hevitra izany, satria izy no tsy manaraka ny tapaka sy tsy manaja ny soniany. Efa tsy fidiny tamin’ny Ankolafy 3 no nametraka an’i Andry Rajoelina hitarika ny tetezamita kanefa nekena, saingy feno ny kapoaka ankehitriny ka tsy hanindroa amin’izany intsony ny Ankolafy 3, hoy ity mpitari-tolona ity.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT