Hamelona lakolosy manomboka any Antsiranana ka hatrany Toliara i Rossy. Nitety kartie tao Antsiranana niaraka tamin’ny lakolosy izy omaly.
Raha ny fanazavany dia Solombavambahoakan’i Madagasikara izy fa tsy Solombavambahoakan’ny Boriborintany faha-4 eto Antananarivo Renivohitra fotsiny. Hampaneno lakolosy izy hilazany amin'ny vahoaka fa misy mangalatra ny lakolosy ao amin'ny Antenimieram-pirenena ka na averina ny lakolosy izay mariky ny fahefan’ny Antenimieram-pirenena na averina ny lakile famantarana ny fahefana ao an-dapa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.