Efa nanomboka ny fampiharana ny andininy faha-20 ao amin’ny sori-dalana izay mitaky ny hiverenan’ireo nanao sesitany ny tenany, ary tsy misy fepetra izany.
Izay no azo handraisana ny fiverenan’Atoa Didier Ratsiraka an-tanindrazana omaly, izy rahateo dia nanamafy fa tsy maintsy atao eto Madagasikara ny fihaonan’ireo filohan’ny ankolafy 4 sy ny loabary an-dasy iray goavana hadraisan’ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena anjara. Niantso ny rehetra mba hifamela ihany koa ny amiraly ka tsy hitodihana intsony izay lasa fa ny fibanjinana ny hoavy amin’ny fanarenana ny firenena no tokony hahamaika. Mialoha izany rehetra izany dia efa nilaza tao amin’ny Magro ny profesora Zafy Albert ny alarobia fa ho avy ny filoha Ratsiraka, ary aorian’izay dia tsy maintsy ho tonga eto koa ny filoha Ravalomanana. Ity farany izay avy any Afrika Atsimo dia nitsotra fa tsy ho tafara-dia amin’i Didier Ratsiraka aloha izy, saingy ho avy tsy ho ela. Ny siosion-dresaka aza moa dia efa nandrenesana hoe mety amin’ny herinandro ambony io no ho tonga eto Madagasikara ingahy Ravalomanana ka rehefa «complet ny avant» araka ny fomba fitenin’ny tanora dia horaiketina amin’izay ilay fivoriana goavana, io no tena atao hoe fihaonambem-pirenena ka amin’ny alalan’io fihaonambe io no handrafetana amin’izay ny vahaolana tena mahomby ho famahana ny krizy, satria nahomby tamin’ny ampahany fotsiny ny zava-drehetra natao hatramin’izay, na dia efa samy nanezaka mafy aza ny andaniny sy ny ankilany ary niasa mafy ireo mpanelanelan’ny SADC.
Hita nandritra ireny karazana fihaonana sy fakan-kevitra nataon-dry Joaquim Chissano, Dr Leonardo Simao, Marius Fransman ireny tokoa fa misy foana ny zavatra tsy ampy kely, mety misy ny tatitra tsy araka ny tokony ho izy, maro ny zavatra voadika vilana. Tsy vitsy ihany koa ny mpanatsatso sy mpanisy sira. Tsotra ny antony : mbola ireo solontena no nakan-kevitra, na nampifanatrehana, dia samy miera any amin’ny lehiben’ny ankolafiny any aloha, avy eo miverina mifampiresaka indray. Olombelona ihany izy ireo ka mety misy teny na fehezanteny latsaka eny anelanelany eny. Azo antoka fa ho mora kokoa ny fikarohana ny vahaolana raha toa ka ireo filohan’ny ankolafy mihitsy no miresaka mivantana, tsy resaka fanavahana na fanilihana mihitsy tsy akory ny hampihaonana mialoha ireo filohan’ny ankolafy 4, dia Atoa isany Didier Ratsiraka, Zafy Albert, Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina fa noho ny maha filoham-pirenena sy filoham-panjakana azy ireo. Tsy azo sokajiana ho tahaka ny lehiben’antoko tsotra intsony izy efatra mirahalahy mianaka ireo satria efa samy nitondra firenena na ahoana na ahoana fomba nahatongavany teo amin’ny fitondrana. Afaka nifanaraka tsara Atoa isany Ravalomanana sy Ratsiraka ary Zafy, ka nahoana moa no tsy hahay hifanaraka amin’i Marc Ravalomanana naongany ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina ? Efa roso ny dia, nisantatra azy ny amiraly, ka tsy misy intsony ny miverin-dalana e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.