Politique

Romotra ny fitondrana Ravalo henjehina, ny Magro hakatona…


  • Alarobia 24 Janoary 2018

Mpitandro ny filaminana nirongo basy no natao fitaovana nanakanana ny fihaonan’i Marc Ravalomanana sy ny vahoakan’Ambovombe Androy omaly.

Hagagana ny an’ny olon-drehetra nahita ny fihetsika mamoafady sy manitsakitsaka ny zo maha olona satria tao an-tokantranon’ny depiote Login nivory niaraka tamina mpikamban’ny Antoko TIM vitsivitsy ny tenany no tonga ny avy amin’ny Prefektiora niaraka tamin’ny Emmoreg nandroaka azy. Tsara anefa ny manamarika fa toerana an’olon-tsotra io nivantanan’ny filoha teo aloha io, saingy noloarana sy navoaka tao amin’ny fianakaviana nandray azy izy. Tsy navela nihaona tamin’ny vahoaka ary tsy navela nandeha malalaka ny fiara mitondra azy fa notemerin’ny fiaran’ny Emmoreg akaiky dia akaiky, tsy navela nivoaka ny fiara akory. Manoatra noho ireny gadra na mpampihorohoro na olon-doza voasambotra ireny, ka na teo am-pandrotsahana ny solika ny fiara aza dia natao tsara ambina. Tetsy an-kilany, nipoitra indray ny fandranitana sy ny fanakaramana andian’olom-bitsy nitondra taratasy “A4” misy soratra maneho tsy fankasitrahana sy fandroahana an’i Marc Ravalomanana. Mitohy hatrany ny fandranitana sy fambolena korontana vokatry ny hakanosana ara-politika, indrindra ny fanosihosena ny zo maha olona. Rahonana sy ampihorohoroana andro aman’alina aloha, ka raha mbola misisika ihany dia hosamborina sy hogadraina ?

Hakatona ny Magro…

Raha ny vaovao re omaly hariva ihany koa dia tadiavin’ny fanjakana HVM hakatona ny Magro manerana ny Nosy. Nosantarina tamin’ny fandefasana mpitandro ny filaminana mirongo fiadiana any amin’ny foiben’ny AAA-Tiko any Andranomanelatra nanomboka halina izany. Tsy fantatra mazava izay antony sy ny tanjona, fa tombanana avy hatrany ho antsojay sy filana kisa tsotr’izao amin’i Marc Ravalomanana. Tsara anefa ny manamarika fa miara-miombon’antoka amina mpandraharaha hafa ny Magro, ka tsy ny vokatry ny AAA-Tiko ihany no amidiny fa misy vokatra hafa. Nandeha sy nihodina tsara ny Magro hatramin’izay satria raha ny teny Behoririka izao, dia efa nanomboka tamin’ny 11 jona 2016. Torak’izany ihany koa ny orinasa AAA, izay nandeha tsara tsy nisy fingampingana, saingy hatramin’ny nilazan’i Marc Ravalomanana fa kandida filoham-pirenena izy no nanomboka ny antsojay. Efa nanamarika sy nanao antso avo anefa ny filoha teo aloha, fa tsy tokony hafangaro ny tenany sy ny resaka fitantanana orinasa. Miha lalina ihany izany ny hetraketraka sy fanaovana sorona olona an’aliny. Izay ve ilay hoe “fisandratana mirindra” ambaran’ny fanjakana ? Potehina ny orinasa Malagasy mamelona ny olona an’aliny kanefa ny tena aza tsy mahavita na inona na inona hiveloman’ireo ?


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT