Mitsingilahila ny toeran’ny minisitry ny serasera Rahajason Harry Laurent, izay fantatry ny maro amin’ny hoe : Rolly Mercia ao amin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena.
Nanapaka ny filankevitry ny governemanta ny talata teo fa tsy mpitondra tenin’ny governemanta intsony ny tenany, izy rahateo efa am-bolana maro no tsy tonga niatrika izany filankevitra izany intsony. Nosoloina ny minisitry ny tanora sy ny alavoly, Andriantiana Jacques Ulrich ny toerany maha mpitondrateny azy miaraka amin’ny minisitry ny kolontsaina sy ny vakoka, Elia Ravelomanantsoa. Ankoatra izay, io talata io, dia fantatra fa nisy delegasiona avy amin’ny TGV tonga teny Mahazoarivo nihaona tamin’ny Praiminisitra Beriziky Jean Omer, nitaky tamin’ity farany ny hanesorana tsy ho mambra ny governemanta intsony ny minisitra Rahajason Harry Laurent. Azo antoka fa tsy levon’ny vavonin’ny TGV koa ny fanomezana vahana sy fandefasana totoafo amin’ny vaovao an-tsarin’ny TVM ny fitetezam-paritra miendrika fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ataon’i Camille Vital, kandida filoham-pirenena, izay adverseran’ny kandidan’ny TGV, ka nitarika izao fitakiana ny fanesorana ny minisitra Rahajason izao. Ankoatra azy dia efa nitaky ny hanalana amin’ny toerany ny minisitry ny harena ankibon’ny tany, andriafeno Daniela koa ny TGV, tsiahivina ihany. Any amin’i Andry Rajoelina, araka izany, ny baolina !
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.