Politique

Rolland Ravatomanga “Eto ny olana dia eto no vahana”


  • Alatsinainy 18 Jona 2012

“Efa nametraka tany am-piandohana fa nanaiky niditra tao amin’ny tetezamita izahay. Ho fanatanterahana ny tondrozotra izany, saingy ny hafa no nivily lalana ka nahatonga anay hiato aloha hatreto”, hoy Ravatomanga Rolland, minisitry ny fambolena avy amin’ny ankolafy Ravalomanana nitondra fanazavana raha nanontanian’ny mpanao gazety amin’ity tsy fandraisan’anjaran’ny minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana amin’ny filankevitry ny governemanta sy minisitra ity hatramin’izao nandritra ny fandalovany tao Antsirabe ny faran’ny herinandro teo.

 Efa ny 17 septambra 2011 no vita sonia ny tondrozotra kanefa dia izay metimety amin’ny sasany ihany no tanterahiny, kanefa izahay dia mitaky ny fampiharana tsy misy fepetra ny andininy rehetra ao amin’ny tondrozotra, hoy izy. Nohamafisiny fa tsy miala ao amin’ny governemanta sy ireo rafi-panjakana rehetra nifanarahana izy ireo fa miandry fotsiny ny fampiharana izay voalazan’ny tondrozotra izay. Na rahampitso aza, hoy Ravatomanga Rolland no taterahina izany dia miverina miatrika filankevitra izy ireo. Tanjona ny famoahana ny firenena amin’ny krizy, hoy ity minisitra ity.

Ny sasany anefa fihatsaram-belatsihy no ataony. Nitondrany fanazavana ny resabe amin’ny fampihaonana ny filoha Ravalomanana sy Andry Rajoelina izay toa iniana rirotina ka nolazainy fa “eto Madagasikara no misy olana ka avelao hihaona eto Madagasikara izy roalahy”, ary ny sehatra iraisam-pirenena aza dia efa miaiky fa izy mianaka no fototry ny olana ka tsy maintsy atao ny fampihaonana ary nohamafisin’ny SADC fa maika izany ka tokony hatao faran’izay haingana. Nambarany fa raha fanajana fetim-pirenena no hanemorana azy dia tsy hisy hanao fety anatin’ny fihatsaram-belatsihy izany eto. Ataovy io fihaonana io dia miara-mifaly ny vahoaka Malagasy rehetra. Tsy an’ny FAT izany ny 26 jona satria ny FAT mifety lava tsy toy ny vahoaka sahirana. Aza miandry tehamaina amin’ny Vondrona iraisam-pirenena vao hikoropaka fa tanteraho io raha tena mitsinjo ny vahoaka marina. Raha ny momba ny orinasa Tiko moa dia nolazain’ny minisitra Ravatomanga fa orinasa Malagasy io ka tsy maintsy arovana, Malagasy maro no mivelona amin’io ka izay no tokony hojerena fa tsy i Marc Ravalomanana. Raha hendry ny FAT dia tokony hanao ny fampitahana ny kaonty, dia hita eo izay hanefa ny andaniny sy ny ankilany, hoy ihany ity minisitra ity.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT