Voaasa manokana hiatrika ny fivorian’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny SADC manomboka anio ny filoha Marc Ravalomanana
Fanasana ofisialy nosoniavin’ny Sekretera mpanatanteraky ny SADC, ny Dr Tomaz Salomao izy io, izay azo adika fa mbola raisin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ho filoham-pirenena i Marc Ravalomanana. Izay filoha lanim-bahoaka ihany mantsy no mahazo fanasana ofisialy tahaka izao. Raha ny fanazavan-dRavatomanga Roland, minisitry ny fambolena avy amin’ny ankolafy Ravalomanana dia mbola hihaino ny hevitr’i Marc Ravalomanana momba ny famahana ny krizy izy ireo mialoha ny fandraisany fanapahan-kevitra.
Marihina fa efa naka ny hevitry ny mpanao politika, ny miaramila, ny fiarahamonim-pirenena ny iraky ny SADC notarihan’ny minisitra lefitra Afrikanina tatsimo Atoa Marius Fransman tamin’ny sabotsy sy alahady lasa teo. “Raha ny vahiny aza te hihaino ny ankolafy rehetra, nahoana ny eto an-toerana no mitady hifanilika ?”, hoy hatrany Ravatomanga Roland manoloana ny siosion-dresaka momba ny tsy fanasiana dikany intsony ny sonian’ireo minisitra dimy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Nanamafy ny tenany fa tsy mbola naharay “notification” na am-bava na an-tsoratra momba izany ry zareo ary manohy ny asany ara-dalàna, anisan’izany ny fanaovan-tsonia antontan-taratasy.
Notsiahiviny koa fa na ilay lazaina fampiatoana azy ireo aza dia tsy naharaisana fampilazana ofisialy hatramin’izao. “Sady tsy misy ny didim-panjakana milaza izany no tsy voalaza ao amin’ny tondrozotra ihany koa ny fampiatoana minisitra”, hoy izy. Fanontaniana moa no napetrany raha tokony hampiatoana amin’ny asany koa ireo Parlemantera maro be izay tsy tonga nivory nandritra ny fotoam-pivoriana ara-dalàna. “Lazaina fa nanao tatitra tany amin’ny faritra misy azy izy ireny. Izahay koa anie raha tsy mamonjy filankevitry ny minisitra sy governemanta dia mamita asa ara-dalàna aty amin’ny birao na mitety faritra mikatsaka ny fampandrosoana ho an’ny vahoaka”, araka ny nambaran-dRavatomanga Roland hatrany. Izy ihany moa no namaly fa tsy mitondra fitoniana ny fampiatoana amin’ny asa sy fanapahan-kevitra hafa rehetra izay miendrika sazy. Mba tsy handaniana andro amin’ny fandrahonana toy izany dia mandroso soso-kevitra ny handinihana akaiky ireo antony mahatonga ny ankolafy Ravalomanana misintaka ny tenany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.