Maro ny kiana mahazo ny governemanta vaovao manoloana ny firafitriny. Raha ny hevitr’i Roland Ravatomanga minisitry ny rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana teo aloha dia nandiso fanantenana ny tsy nanatanterahana ny isan`ireo minisitra ho 50% lahy sy 50% vavy.
Mety misy antony kosa hoy izy, nefa toa mandainga amin`ny vahoaka ka mila mitandrina ny mpitondra amin`ny filazana zavatra toa ireny satria manantena ny olona sady miandrandra zavatra kanefa vao manomboka dia efa mandeha amin`ny tsy fifanarahana sahady. Nohamafisiny fa tsy niditra tao amin`ny fitondrana ny antoko Tiako i Madagasikara sy ny k25. Tsy sanatria hoe tsy nahazo fa tena fanapahan-kevitra noraisan`ny mpitondra sy ny mpitantanana rehetra io. Aoka kosa tsy ho raisina mahakivy hoe tsy ao anatin`ny fitondrana ny antoko TIM fa samy manana ny paikadiny, hoy izy. Nilaza koa izy fa rehefa Mapar no nahazo fitondrana, dia avelao izy hitondra fa tsy ho helingelenina nefa kosa ny vahoaka hiara hijery sy hitsara ny vokatra hita ao anatin`ny fanatanterahina ny asa. Mahakasika ny kabary ny Filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana nandritra ny fifampiarahabana tetsy Tanjombato omaly, kosa dia fandeferana mba hisian`ny fitoniana no nisy kanefa na dia adidin` ny tsirairay no mijery sy manara-maso ny tsy hisian`ny fihoaram-pefy amin`ny fampandehanam-pahefana sy fifandimbiasam-pahefana izay natao ho an`ny rehetra ao anatin`ny fitoniana, hoy i Roland Ravatomanga.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.