Ao anatin’ny governemanta ankehitriny i Roland Ratsiraka saingy re fa hirotsaka hofidiana filoham-pirenena amin’ny 2018, ary efa manomboka mandeha ny serasera momba ny hirotsahany.
Tsikaritra ho ratsy fifandraisana amin’ny HVM ny tenany ary efa manomana tsikelikely ny lalan-kivoahany ao anatin’izao fitondrana izao satria tsy te haloto sy ho tratra farany noho ny laza ratsy ananan’ny mpitondra ankehitriny. Mivoaka ihany koa mantsy ny vaovao fa hisy ny fanovana ny mpikamban’ny governemanta amin’io taona 2017 ho avy io, ka ireo tena olona akaiky ny filoha, izany hoe ho HVM hiringiriny no handrafitra izany. Hodakana avokoa ireo ivelan’ny HVM satria hanao propagandin’ny mpitondra no tena asa hankinina amin’ireo mpikamban’ny governemanta vaovao. Olona anisan’ny nanenjika izao fitondrana izao i Roland Ratsiraka tamin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013, ary tsy ananany fitokisana feno fa setrin’ny fanohanana an-dRajaonarimampianina fihodinana faharoan’ny fifidianana tamin’izany no nampidirana azy tao. Efa nilaza ho manana dosie mikasika ny afera maloton’i Hery Rajaonarimampianina sy ny fanjakana izy saingy nangina hatreto, rehefa tafiditra tanaty fitondrana. Hisara-dalana indray ny roa tonta atsy ho atsy ary ho mpifahavalo mihitsy aza. Ho sahin’ity mpanao politika ity ve ny hamotsipotsitra ny afera maloto tao anaty fitondrana tao sy hamoaka amin’izay ilay dosie maloto tamin’ny taona 2013 ? Mitifitra lanitra mba hahavoazana tendrombohitra amin’ny fivarotana vato ho takalon’ny seza toy ny tamin’ny 2013 ve ny tenany sa efa tena vonona ny handrombaka fahefana sy hifanandrina amin’ireo kandida azo hambara fa manana herijika kokoa noho izy ? Efa misy mantsy ny siosion-dresaka fa misy vondrona firenena vahiny matanjaka ao ambadik’izao firotsahany izao ary anisan’ny mivoy ny tsy hirotsahan’ireo kandida matanjaka amin’ny alalan’ilay “ni...ni… ireo vondrona mpanohana ireo.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.