Politique

Roland Ratsiraka Tsy matoky intsony ny filohan’ny FAT ?


  • Alakamisy 22 Septambra 2011

Nihaona sy nitafa tamin’ireo Filoham-pokontany sy ny lefiny tao Toamasina tampon-tanŕna i Roland Ratsiraka ny tolakandron’ny alatsinainy teo, nanazavany ny fizotry ny raharaham-pirenena ankehitriny.

 Teo amin’ny sehatra politika, indrindra ny fahavitana sonia ny tondrozotra, dia nomarihin’i Roland Ratsiraka fa tao anatin’ny 30 volana mahery niainana ny tetezamita dia betsaka ny zavatra niarahana nandinika sy nanapaka nefa tsy nohajaina sy tsy notanterahina, koa natahotra ny MTS tarihiny sy ny Vondrona Escopol  misy azy ireo ny hanao sonia ilay tondrozotra. Nohamafisin’i Roland Ratsiraka fa tsy misy afa tsy ny fikarakarana fifidianana tsara sy madio ary mangarahara no miantoka ny fankatoavana iraisam-pirenena sy famahana ny krizy, fa raha mbola miverina ny tsy fanajana ny teny nolazaina sy ny sonia natao, dia mbola hisy hatrany ny olana ary hihamafy ny krizy, satria tsy hanaiky toy ny teo aloha intsony ireo fianakaviambe iraisam-pirenena ireo noho ny fahantrana be loatra amin’ny Malagasy izao. Ankoatra izay, nolazainy teo anoloan’ireto Filoham-pokontany sy ny lefiny ireto fa mbola ny Frantsay sy ny Frankofonia no nilaza ny heviny mahakasika iny fahavitan-tsonia ny tondrozotra iny, fa ireo firenen-dehibe tahaka an’i Etazonia, Angletera, Alemana …mbola mangina tsy nilaza ny heviny mihitsy.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT