“Tsy anjaran’i Andry Rajoelina no mitsara anay kandida, an’ny vahoaka izany ary izy ihany no manan-jo manao izany amin’ny fanehoan-kevitra mivantana sy ara-demokratika ataony”.
Izay no nambaran’Atoa Roland Ratsiraka filohan’ny antoko Malagasy Tonga Saina (MTS), raha nanontaniana ny heviny mikasika ny nambaran’i Andry Rajoelina fa “tsy misy tia tanindrazana”, ireo milaza azy ho kandida rehetra ireo, nandritra ny fanamarihana ny tsingerintaona fahefatry ny raharaha “07 febroary 2009” nisian’ny tifitra nahafaty olona maro teo Ambohitsorohitra. Nomarihan’i Roland Ratsiraka fa “tsy manan-jo koa ny tenako hilaza na tia tanindrazana na tsia Atoa Rajoelina, na mba manana ny hevitro aza aho mikasika ny fitantanany ny firenena sy nitondrany ny tetezamita tao anatin’ny efa-taona ny krizy”.
Ho an’ny filohan’ny MTS izay efa nanambara fa kandida amin’ny filoham-pirenena ny 24 jolay izao, dia tsy fotoan’ny fifamaliana, ady, fifandranitana ary fihantsihana intsony izao. I Madagasikara sy ny Malagasy dia mila mpitondra ny tetezamita manana fahendrena sy filoham-pirenena voafidiny ara-demokratika amin’izay, ka izany izao no mila himasoana sy atao izay hahavitany ao anatin’ny tena fangaraharana marina.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.