Mananontanona ny taona 2018 hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena eto amintsika.
Misy ireo mpanao politika efa nanao fanambarana amin'ny hirotsahany, ao ihany koa ireo efa re siosio fa ho anisan'ny mpifaninana toa an’i Roland Ratsiraka, izay efa in-droa nirotsaka (2006 sy 2013). Misy mihitsy ny feo niely fa efa misy vondrona firenena vahiny maromaro manosika an'i Roland Ratsiraka, ary mivoy ny fisakanana ireo kandida atahorana amin'ny alalan'ny "ni...ni..." ireo vondrona ireo. Mandeha anefa ny resaka sy ny fanadihadiana politika fa tsy ho kandida ny tenany raha mbola eo ny filoham-pirenena teo aloha Didier Ratsiraka. Ekena fa samy manana ny antokony avy izy ireo dia ny AREMA sy ny MTS, saingy sarotra ho an'i Roland Ratsiraka ny handingana ity rahalahin-drainy, izay sokajiana ho olobe eto amin'ny firenena ity. Mikasika ny tamin'ny 2013 kosa dia tsy afaka nirotsaka i Didier Ratsiraka, ka izay no mbola nirotsahany, saingy voalaza fa tsy nahazo tso-drano tamin'i Deba ity zana-drahalahiny ity tamin'ireny. Tsy fantatra rahateo ny fanapahan-kevitra ara-politikan'i Didier Ratsiraka amin'io fifidianana io. Voalaza mantsy fa efa manomana mpandimby ny tenany. Raha jerena tamin'ny fihetsiny nandritra ireny fankalazana ny faha-40 taona niorenan'ny AREMA isaky ny faritany ireny anefa, dia hita ho mbola vonona amin'ny firotsahan-kofidiana ny tenany na dia efa feno 81 taona aza. Mbola baraingo izay rehetra hiseho amin'ny fanapahan-kevitr'ity filoha teo aloha ity mikasika ny fiainany manokana sy ny fiainan'ny antokony. Ny hita aloha dia tsy azo dinganina ny tenany na ao anatin'ny fianakaviana Ratsiraka na eo anivon'ny antoko AREMA, eny hatramin'ny raharaham-pirenentsika mihitsy aza. Mbola manana ny lanjany i Didier Ratsiraka ary mahalala zavatra maro momba ny tantaran'ity firenena ity sy ny zava-miafina isan-karazany. Izy rahateo no filoha nitantana an'i Madagasikara tao anatin'ny fotoana naharitra indrindra. Tsy hay na mijery ny fitsokan’ny rivotra politika eto Madagasikara ny tenany vao handray fanapahan-kevitra na efa manana ny vinany sy ny kajiny manokana fa miandry fotoana sisa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.