Hitan’ireo kandida indray ny faritra iva rehefa antomotra ny fifidianana.
Nidina ifotony nijery ny zava-misy teny an-tsenan’Anosibe i Roland Ratsiraka, filohan’ny antoko Malagasy Tonga Saina sady kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena, ny talata lasa teo nitarafany ny fiainan’ny mponina eny. Raha olona hitondra firenena dia mila mahalala tsara ny fiainan’ny mponina sy ny hetahetan’izy ireny, hoy izy. Na izany aza anefa dia nambarany fa be loatra ny mpivarotra eto amintsika hatramin’ny nikatonan’ny orinasa afaka haba. Nitaraina taminy moa ireo mpivarotra noho ny tsy fisian’ny mpividy, ka mba nividy vary sy ny voamaina ny tenany ho fandraisana anjara, avy eo natolony ireo olona sahirana sendra azy. Nampanantena ny hanome fiofanana maimaimpoana ary koa hanome fitaovana hoenti-miasa hahafahana manarina ny fiainan’ny mponina moa ny tenany. Ny vahoaka no tena harena, hoy i Roland Ratsiraka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.