Samy miezaka mandresy lahatra ny mpifidy, na tsy mbola fampielezan-kevitra aza izao, ireo kandida sy ireo efa nilaza ny hirotsaka hofidiana, anisan’izany Atoa Roland Ratsiraka.
Ny sabotsy tolakandro teo tao Mangarano II, dia nanazava ny fomba hitondrana ny fitantanan-draharaham-panjakana ny tenany, ka nambarany ary lohahevitra niompanan’ny dinika koa, fa “ny fitsinjaram-pahefana tena izy ihany aloha no mbola mety amintsika. Tsy atao soratra mitoetra anaty lalàmpanorenana fotsiny ireny, fa tena ampiharina sy ampiarahana amin’ny fitsinjarana ara-bola ihany koa”. Milaza ny hametraka komity manokana eo ambany fanaraha-mason’ny filoham-pirenena ahitana ireo mpiasam-panjakana ambony sy administratera sivily izay efa mahay ny fitantanan-draharaham-panjakana ny MTS.
Nambaran’Atoa Roland Ratsiraka fa “tsy azo ekena intsony ny andrankandrana politika eto, mila fampandrosoana tena izy sy maharitra amin’izay ny vahoaka Malagasy”, ary nolazainy fa “tsy hampihavana ny Malagasy eo na ireo FFKM na ny FFM, fa izay filoham-pirenena lany eo no manana adidy goavana amin’izany raha tiany ny hisian’izany firaisan-tsainan’ny Malagasy izany amin’ny fampandrosoana tiany atao ho an’ny fireneny”. Ankilan’izay, dia efa nanome toky Atoa Roland Ratsiraka fa raha izy no lany ho filoham-pirenena, “1er tour dia vita” araka ny eritreriny, dia 50%-n’ny minisitra sy ny mpiara-miasa aminy dia vehivavy, ny 06 amin’ny minisitra kosa dia zanak’i Toamasina.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.