Politique

Roland Ratsiraka Manahy ny tsy hahavitan’ny fifidianana


  • Talata 21 Febroary 2012

Tsy nanafina ny ahiahiany mikasika ny tsy fahadiovan’ny fifidianana hatao ao anatin’izao tery vay manta ataon’ny fitondrana tetezamita izao, ny filoha lefitry ny CST Roland Ratsiraka.

 Nambarany fa CENI mahaleotena no hatsangana eo ary hiantoka ny hampangarahara ny fifidianana, vao ny fananganana azy anefa dia efa ahitana olana, ifandroritana ny fidirana ao anatiny ary efa ahitana fanakianana ny fametrahana azy. Mahita ny MTS tarihako fa toa iniana atao ilay izy mba hahafahan’ny mpitondra sasany mifikitra amin’ny seza manangon-karena fotsiny, hoy hatrany ny filoha lefitry ny CST. Manoloana ny feo mandeha fa misy fikasana ny hanala amin’ny toerany ny minisitry fitaterana, izay sekretera jeneraly nasionalin’ny antoko MTS, dia nasiaka i Roland Ratsiraka nilaza fa “tsy manan-jo hanala minisitra ny fitondrana tetezamita”, mazava ny tondrozotra fa “ny ankolafy na ireo vondrona nanolotra ireo olona ireo ihany no afaka manala na manolo ny olona natolony ao anatin’izao rafitra irahana araka ny tondrozotra izao”.
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT