Politique

Roland Ratsiraka Kandida filoham-pirenena ihany koa ?


  • Talata 13 Martsa 2018

Samy manana ny paikadiny amin’ny fiatrehana ny fifidianana ireo kandida tsirairay avy. Misy ireo izay efa mamory olona sy mampiseho hery kanefa misy kosa ireo misoko miadana sy tsy re tsaika.

 

 Mandeha ny resaka izao fa maro ireo vondron’olona sy fikambanana manosika mafy ny minisitry ny fizahantany Atoa Roland Ratsiraka hirotsaka hofidiana filoham-pirenena amin`ny 2018. Izy moa dia efa kandida filoha  ny taona 2006 sy 2013 ary tsy miafina amin’ny rehetra ny hambom-po politika ananany hatry ny ela. Olona anisan’ny nanenjika izao fitondrana izao i Roland Ratsiraka tamin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013, saingy nahazo toerana minisitra ihany avy eo ary nanaja ny fifanohanan’ny samy mpitondra fanjakana. Misy ny mihevitra fa kandida mahazo vato betsaka noho Rajaonarimampianina ity filoha mpamorona ny antoko Malagasy Tonga Saina (MTS) ity, indrindra fa any amin’ny faritany. Tsiahivina fa ity zanak`i Toamasina ity dia faha-4 tamin`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany tamin’ny 2013 ary nahazo 9% amin`ireo ampaham-bato tamin`izany. Etsy an-kilan’izay, amin’ny toe-draharaha misy amin’izao fotoana dia mazava ny kajy fa tsy tafavoaka i Hery Rajaonarimampianina amin’ny fifidianana manaraka eo raha vao misy kandida tanindrana sokajiana ho manana ny maha izy azy mifanandrina aminy.

 

Mila mitandrina

Mila mitandrina anefa ny mpanao politika sy ireo te hitarika fifidianana. Voalohany, na malaza aza dia tsy midika ho tian`ny olona. Manaraka izany, na mahavory olona maro be, tsy midika akory ho mamim-bahoaka. Farany dia mila beazina amin`ny hevitra ny vahoaka fa tsy tambazana vola sy fitaovana maro samihafa ny zony sy safidiny.   Zava-dehibe ny firotsahana amin`ny fifidianana satria izany no fomba ahitana ny fitiavan`ny vahoaka ny hevitry ny antoko politika iray na ny fitiavany ny mpanao politika iray manokana.  Misy ho saintsainin`ny mpanao politika tsy an-kanavaka.

 


 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT