Roland Ratsiraka – Dr Brigitte Rabemanantsoa

> Samy nisafidy an’i Toamasina nisantarana ny propagandy


  • Alarobia 25 Septambra 2013


Ny renivohitr’i Betsimisaraka no nosafidian’ny kandida isany Roland Ratsiraka (Malagasy Tonga Saina) sy ny Dr Rabemanantsoa Brigitte (Ampela Manao Politika) nisantarana ny fampielezan-kevitr’izy ireo avy omaly. Diabe namakivaky ny tanàna no nataon’ny MTS, ka nanamafisan’i Roland Ratsiraka indray ny “fandaharanasa 100 andro” hanova ny fiainan’ny Malagasy. Fa tao amin’ny kianjan’ny lisea teknika Tanambao V kosa ny antoko AMP tarihan-dRtoa Brigitte Rabemanantsoa no nifamotoana tamin’ireo mpomba azy. Nambarany tamin’izany fa nofinofiny ny hahita ny Malagasy sy ny fianakaviana ary ny firenena handroso amin’ny fahaiza-mitantana ny harem-pirenena. Nambarany koa fa zanak’i Toamasina izy ary nandrato fianarana tao amin’ny EPP La Foire sy lehibe tao Maromamy Brickaville.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT