Tontosan’ny kandida Roland Ratsiraka ny fanambiny, dia ny hihaona amin’ny vahoakan’Antananarivo teny amin’ny Coliseum hanazavany ny fandaharanasany, izay mianga amin’ny «100 andro» hanovana ny fiainan-dRamalagasy, araka ny ambarany ombieny. Na tsy feno hipoka aza dia tonga maro ny mpanohana azy, maro koa no voasariky ny fampanantenana t-shirt ho an’ireo iray alina tonga voalohany sy ny «tombola» maimaimpoana nefa nahazoana loka samihafa ka nirohotra teny. Io anefa no nampisy savorovoro tamin’ny fiafaran’ny lanonana, ka nahavaky ny fitaratra samihafa tao amin’ny Coliseum.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.