Tapa-bolana mialoha ny fandatsaham-baton’ny mpifidy, dia maro ny fingampingana miseho. Fantatra izao fa dia nisy nanao sabotazy ny helikoptera fampiasan’ny kandida Roland Ratsiraka ny sabotsy alina hifoha ny alahady teo, helikoptera izay mihantsona isaky ny alina ao amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy-Toamasina. Novahana tovolahy maromaro ny bilao samy hafa, notapatapahan’izy ireo ny tariby maromaro. Soa ihany fa manao fanamarihana isaky hiainga ny mpanamory ka teo no nahitana ny zava-drehetra, izay mbola nahatrarany tovolahy iray 18 taona teo, teo am-pamahana bilaon’ilay helikoptera. Midika izao fa goragora ny fiambenana seranana ao Ambalamanasy. Efa eo am-pelatanan’ny zandary ny raharaha ka ho hita eo ny marina tamin’izao raharaha mamofompofona fifofoana aina kandida izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.