Nidina ifotony nijery ny olan’ireo mpivarotra tao amin’ny tsena Tranon-jiro sy Ambolomadinika Toamasina ny filoha nasionalin’ny antoko MTS, Roland Ratsiraka, omaly talata 3 septambra.
Nambarany fa “orinasa goavana mamelona olona maro ny tsena, ka tsy azo ekena ny savoritaka sy ny loto ary ny tsy filaminana iainan’ireo mpivarotra”. Nomarihany fa hitady vola amin’ireo mpiara-miombona antoka aminy ny tenany entina hanalana ny fako miavosa ao amin’ny tsenan’Ankirihiry sy hanadiovana ao amin’ny tsenan’Ambolomadinika. “Tonga hamantatra ny tena olana sy hitondra vahaolana no anton-diako”, hoy ity kandida filoham-pirenena ity. Naneho ny hafaliany tamin’izao fitsidihany izao ireo mpivarotra ao amin’ireto tsena izay anisan’ny mpamatsy ny tampon-tanànan’i Toamasina ireto. Nifanotofan’ny olona tao anaty tsena i Roland Ratsiraka ary samy nitondra ny hetahetany ho fanatsarana ny tsena ireo solontenan’ny mpivarotra. Nohararaotin’ny mpanao gazety ny nanontany azy momba ny raharaham-pirenena. Mahitsy sy nazava ny teniny : “ho tara avion sy hilaozan’ny namany ireo mbola mieritreritra fifidianana tsy ho vita. Tsy maintsy vita io fifidianana io, tsy misy daty mihemotra izany intsony”. “Efa efa-taona izao no nesorina tamin’ny vahoaka mpifidy ny safidiny, ka averina aminy izao mba hifidianany ny olona tiany hitondra azy amin’ny fandrosoana marina”, hoy hatrany Atoa Roland Ratsiraka namarana ny fanazavany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.