Roland Ratsiraka

> “Natao ho an’iza marina ny TVM ?”


  • Alarobia 11 Septambra 2013

Nanakiana ny zava-misy eo anivon’ny fahitalavitra nasionaly (TVM) ny kandidan’ny Malagasy Tonga Saina (MTS) Roland Ratsiraka.

“Natao ho an’iza sy kandida iza marina ny TVM ? Raha ny zavatra hitanay dia misy ireo kandida mahazo vahana, misy kosa ireo kandida ailika”, hoy izy nilaza ny alahelony manoloana ny tsy fampitoviana lenta ny samy kandida nefa dia mitazam-potsiny ary manaiky ny zava-miseho ny CENI-T. Nohamafisin’Atoa Roland Ratsiraka fa “tsy voahaja mihitsy ny demokrasia sy ny zo fototry ny mpifidy raha ny ataon’ny TVM”. Nambarany moa fa hisy hetsika manokana haharitra dimy andro hokarakarain’ny MTS atsy Maorisy manomboka amin’ny 19 septambra, izay nantsoin’izy ireo hoe : “Antso ho an’ny nosy Maorisy” hampahafantarana ny tena zava-misy sy hiantsoana ireo mpandraharaha maorisiana hiaraka hiombona antoka amin’ny Malagasy. Natao ity fivoahana any Maorisy ity, hoy Atoa Roland Ratsiraka taorian’ny nanafoanan’ny Vondrona Afrikanina ny sazin’ireo olona 109 farany teo, sazy izay tsy nahazoany niditra tao Maorisy nanomboka ny taona 2009.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT