Kandida fahatelo hiaka-tsehatra ao amin’ny Coliseum Antsonjombe i Roland Ratsiraka. Hiantso vahoaka ao amin’ity toerana ity izy ny sabotsy izao, hanohizany ny fampielezan-kevitra. Mpanakanto mpihira maromaro no nantsoiny hanafana ny fotoana, nampanantena hizara t-shirt iray alina isa ihany koa ny kandida. Ary miavaka ny hisian’ny tombola, hahazoana loka samihafa. Kandida efa vita sedra tamin’ny karazam-pifidianana ny kandida Roland Ratsiraka. Efa olom-boafidy Solombavam-bahoaka izy ary taorian’izany dia mbola lany Ben’ny tananan’i Toamasina. Efa kandida filoham-pirenena izy tamin’ny 2006, ary isan’ireo mifaninana amin’ny hazakazaka mankao Ambohitsorohitra amin’ny 25 oktobra izao, mitondra ny laharana faha-5.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.