Nitondra ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena ankehitriny ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na ny RMDM, ary naneho ireo porofo manambara fa mizotra ny amin’ny làlana tsy tokony hizorany ny firenena ankehitriny.
Notsindriany fa tsy voahaja ary tsy mbola mipetraka eto ny tena demokrasia. Nokasain’ny mpitondra hovaina ny lalàna 2011-013 tamin’ny faha 9 septambra 2011 momba ny fanoherana (statut de l’opposition), izay ny mpitondra no nanao sy nampandany azy. Nokotrehina hovaina anefa rehefa hitany fa tsy metimety aminy indray na tsy nampiharina aza. Demokrasia sarintsariny no tiana hapetraka eto ary io ilay nolazainay hoe ataon’ny mpitondra “slogan politika” fotsiny izany demokrasia izany arak’izay maha mety an-dry zareo, hoy ny RMDM. Ampiasana ho herim-pamoretana ny tafika sy ny polisy mba ho fiarovana ny tombontsoan’ny mpitondra fotsiny ka lazaina fa fihetsiketsehina mitarika korontana ny atao na dia mazava izao aza fa am-pilaminana no nanatontosana ireny. Hita ary hanana porofo maro fa nisy hala-bato sy fanaovana “manipulations” ny lalàna nandritra ireo fifidianana nifandimby teto Madagasikara. Mampiahiahy ary mety hitarika any amin’ny kolikoly avo lenta ny fisian’ilay “fonds souverains” tsy fantatra marina ny hampiasana azy ao amin’ny tetibolam-panjakana 2020. Tena miaina ao anatin’ny krizy sosialy sy ara-toekarena tanteraka ny firenena. Latsaka ao anaty fahantrana lalina ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy. Tsy laharam-pahamehana ho an’ny mpitondra ny miady amin’ny fahantrana fa dia ny fisehosehoana ivelany sy ny fampanantenana poakaty tsy misy farany no tena betsaka, hoy ny RMDM. Tsy misy ny famoronan’asa ho an’ny tanora sy ny vahoaka kanefa dia nodradradradraina fatratra tamin’ny fampielezan-kevitra fa atao laharam-pahamehana. Ny fampianarana ny zaza Malagasy dia natao fitaovana politika fotsiny nandritra ireo fifidianana mifandimby teto. Tsy nahitam-pahombiazana ny mpitondra tao anatin’izay taona voaloahany nitondrany izay fa vao mainka nandatsaka ny firenena amin’ny fahantrana lalina, hoy ny RMDM.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.