Politique

Rodoben’ny mpanohitra Mangataka ny hanesorana ireo governora


  • Zoma 04 Oktobra 2019

Tafapetraka omaly teny anivon’ireo andrim-panjakana mpanao lalàna miisa 2 dia ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza sy ny antenimierandoholona etsy Anosy ny taratasy

fangatahana ny amin’ny hamerenana ny fandinihana ny lalàna mikasika ny fametrahana ireo governoram-paritra eto Madagasikara. Ry zareo avy eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM moa nanatitra izany. “Tena mahay lalàna ve ?”, hoy ny mpitsara iraisampirenena, Arlette Ramaroson, ilay mpahay lalàna miteny fa mety io. Raha miteny izy hoe vonjimaika io dia aiza ny andinin-dalàna milaza fa azo atao an’izany io ? Araka ny andininy faha-154, ao amin’ny lalàmpanorenana dia tsy maintsy ny vahoaka no mifidy ny lehiben’ny faritra. Izany hoe, solontenan’ny vahoaka izy fa ny governora dia tendrena ary solontenan’ny filoham-pirenena sy ny governemanta. Manao antso amin’ny filoham-pirenena aho, hoy ny tenany, mampaninona moa raha hajanona aloha ireo fanendrena ary iverenana jerena ny lalàna ? Nohamafisin’ny filoha lefitry ny RMDM misahana ny faritanin’i Mahajanga, Regis Ramamonjisoa, iny fanendrena tamin’ny herinandro iny dia mampisavorovo ireo vahoaka tsy mandady harona ho hararaotina amin’ny tsy fahaizany lalàna. Voasoratra ao anaty tetibolam-panjakana ve ilay 1 miliara ariary omena ireo governora hanesorana azy afaka 1 taona raha tsy hahavitany na inona na inona ? Hatao fafikatrana toy izany ve ny volam-bahoaka ? Mangataka ny hanesorana ireo governora efa tafapetraka, araka izany, ny RMDM. Taratasy fangataham-panazavana sy fanitsiana no napetraka, hoy hatrany ny filohan’ny RMDM Mahajanga.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT