Rehefa nivory sy nandinika mikasika ny tokony hametrahana ny tena fanoherana eny anivon’ny antenimieram-pirenena mbola tsy voapetraka hatramin’izao miampy ny fahatsapana ny sakatsakana atao amin’ny fipetrahan’ny fanoherana tena izy eto amin’ny firenena ny rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto
Madagasikara na RMDM dia nanapa-kevitra fa hanolotra ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, ho kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo. Tsy fitokisana teny amin’olon-tokana akory io fanapahan-kevitra io na adalana fa haintsika ny tantara fa nanapaka foana i Antananarivo hatramin’izay nahazoantsika fahaleovantena, hoy ny filohan’ny antoko politika MCDM, Alain Andriamiseza. Antananarivo no nametraka izay tiany hitarika ny fanoherana. Tsy nifidy olona akory i Antananarivo raha nanao izany fa tsiahivina fa nisy olona avy any amin’ny faritra lany teto amin’ny firenena. Na solombavambahoaka na mpanolontsain’ny tanàna dia tsy nialon-jafy Antananarivo, hoy izy. Hijoro hanohana ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, ny fanoherina noho izany hamerenana ny hasin’Antananarivo. Tsy moramora ny nandresy lahatra ny filoha Ravalomanana, hoy kosa ny fanamarihan’ny filohan’ny antoko Kintana, Tabera Randriamanantsoa. Ny alakamisy izao amin’ny 10 ora moa no hanatitra ny taratasim-pilatsahan-kofidiana ity kandida tohanan’izy ireo ity raha ny fanamarihan’ny Pasitera Edouard Tsarahame, nandritr’ity fanambaran’ny RMDM tetsy amin’ny Le Louvre Antaninarenina omaly ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.