Nifanitsa-kitro ara-bakiteny ny vahoaka mpomba ny filoha Marc Ravalomanana teny Amboanjobe “Place de l’Amitié” ny sabotsy teo raha nifamotoana ny hifampiarahaba nahatratra ny taona araka ny fanasan’ireo mpitarika.
Nitarika azy rehetra ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo izay nisolotena ireo olom-boatendry namany niarahaba ny vahoaka tia tanindrazana tonga teny an-toerana nahatratra ny taona vaovao ary namaly ny firariantsoa natao tamin’izy ireo sy nisaotra ny fanomezana nomen’ireto vahoaka azy sy ireo raiamandreny avy amin’ny Ankolafy rehetra. Aoka tsy hifamitaka eto amin’ity firenena ity, hoy i Mamy Rakotoarivelo, fa izao vahoaka hitako eto izao ve no lazaina fa olona 150 ? Jereo kely ny tabilao, hoy izy, namerina ny hiakiakan’ny vahoaka, fa mihoatra ny 5 alina izao olona eto izao.
Misy mieboebo fa izy irery, hono, ny nahavita zavatra teto fa ireo hafa tsangan’olona avokoa, hoy i Mamy Rakotoarivelo. Colésium sy Hopitaly tsy ho zakan’ny vahoaka akory ve ny sarany no laharam-pahamehana fa tsy ny sosialim-bahoaka ? Aoka tsy hofitahina lava izao ny vahoaka. Ianao Zandrikely no tompon’andraikitra voalohany eto amin’ity tetezamita ity fa aza manilika andraikitra amin’ny hafa rehefa tsy vita io fifidianana io â ! Amin’io fifidianana manaraka io dia sahiko ny milaza, hoy i Mamy Rakotoarivelo, fa ny Ankolafy Ravalomanana no hivoaka ho mpandresy ary hiverina amin’ny fitondrana indray isika. Ny olona matahotra fifidianana no milaza fa hiteraka korontana ny fanatanterahana izany na koa izay mety ho voka-pifidianana eo. Matokia ianarao vahoaka tia tanindrazana, hoy ny filohan’ny Kongresy Mamy Rakotoarivelo, fa tsy hivadi-belirano aminareo izahay mpitarika ary ny tanjona hotratrarina dia ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ka izahay tokinareo ary ianareo ho tokinay.
Tsy misy mivadika
Ekena ny fanemorana ny fifidianana ary tsy maintsy tanterahina ny 24 jolay ny fifidianana. Hiverina alohan’ny fifidianana ny Filoha Marc Ravalomanana. Raha tsy manaiky izany ny mpomba ny filohan’ny tetezamita dia tsy maintsy hisy fepetra horaisin’ny Ankolafy Ravalomanana. Tsy maintsy nandray ny ambasadaoro vaovaon’i Frantsa izahay mba ho mariky ny fifanajana, hoy ity filohan’ny Kongresy ity, fa na tsy mitovy hevitra aza dia afaka mifandresy lahatra fa tsy isika mihitsy no hanaiky izay lazainy. Teny fohy dia fohy no nataon’Atoa Benja Andriamihanta mikasika ny fanakianan-dRajoelina ny CENIT dia ny hoe : “Rehefa tsy mahita ho lazaina dia aza miteniteny foana”. Voaporofo kosa izao ny hoe “Retour en force de la mouvance Ravalomanana” nodradradradrain’ny gazety an-tsoratra eto amintsika, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.
Misy vazaha menasofina miteniteny foana mitady hanao “Chataigner bis”, hoy izy, ka ampisehoantsika azy ny hery manomboka izao. Hampisehoantsika aminy fa ny Ankolafy Ravalomanana dia tsy mivazivazy izany. Hoporofointsika amin’ny mitady izany fa any amin’ny filoha Marc Ravalomanana ny pasipaorony matoa izy tonga any Maputo ankehitriny. Ny olomboafidy avy eny Atsimondrano notarihan’ny Senatera taloha (CST ankehitriny) Ramamonjisoa Benjamin moa no niarahaba ny vahoaka rehetra tongasoa teny Amboanjobe. Tsy misy mivadika izany izahay ety Atsimondrano, hoy izy, fa mbola Ben’ny tanàna 100% Ravalomanana ny antsasaky ny mitantana ny Kaominina 26 aty aminay. Atambaro ny hery, hoy izy, fa mila fanafody avy amintsika rehetra izao ny fanarenana ity firenena latsaka an-katerena ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.