Politique

Rodoben’ny RMTF Mila ravana ny rafitra rehetra misy eto


  • Zoma 05 Aogositra 2016

Mahita ireo olom-pirenena, fikambanana, fiarahamonim-pirenena, vondrona sy antoko politika mivondrona ao amin’ny Rodoben’ny Malagasy tia tanindrazana ho amin’ny fanorenana ifotony ( RMTF)

fa tena latsaka an-davaka  tanteraka ny firenentsika ankehitriny. Mampangitakitaka ny fieritreretana ny dian’i Madagasikara hatramin’izao ary mampanahy mafy ny hoaviny firenena sy ny taranatsika atsy ho atsy, hoy izy ireo. Nasian’izy ireo resaka manokana  ny fanaovan’ny mpitondra tantely afa-drakotra ny harem-pirenena sy ny fari-piainan’ny Malagasy izay tsy mitsaha-mitotongana andro aman’alina. Nandray fanapahan-kevitra maromaro izy ireo hahafahana manova hatreny ifotony ny tantaran’i Madagasikara sy ny hoaviny. Anisan’ireny ny fanaovana tolom-bahoaka hakana ny fahefana eny am-pelatanan’ny mpitondra. Eo ihany koa ny fandravana tanteraka ny rafitra rehetra misy, ny fananganana rafitra vaovao mifanaraka amin’ny soatoavina Malagasy izay mitsinjo ny zo  maha olona sy ny sosialim-bahoaka. Nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly no nahafantarana izany, narahin’ny fifanekena nifanaovan’ny samy mpikambana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT