Politique

Rodoben’ny mpitondra tany Foulpointe 300 tapitrisa Ar indray no lany ?


  • Talata 12 Janoary 2016

Tsy mampihetsi-bolomaso ireo mpitondra antsika mihitsy ny karazana fanakianana mavaivay ataon’ireo masoivoho vahiny sy solontenan’ny mpamatsy vola miasa eto amintsika.

 

 Ny rendrarendra sy ny fihetsehana ivelany no betsaka amin’ny dian’ny filoham-pirenena tany Mahavelona Foulpointe omaly. Tany an-toerana ny tenany nanokatra ilay tetikasa vatsin’ankohonana ho fanampiana ireo fianakaviana tena sahirana sy nametraka ihany koa ny fahitalavitra nomerika sy ny fandraisana ho mpiasa raikitra ny mpampianatra Fram. Minisitra 12 no niara-dia taminy ary nalefa mivantana tamin’ny fahitalavi-pirenena ny lanonana rehetra. Fa ny mba manafintohina sy ny mampalahelo dia toa ny saran’ny fanatanterahana ny asa sy ny vola lany amin’ny fihetsehena indray no betsaka noho ny vola atokana amin’ny asa.

300 tapitrisa Ar

Nihazo an’i Foulpointe tamin’ny alalan’ny angidimby ny filoham-pirenena saingy rehefa nody taty an-drenivohitra indray izy dia nanafatra fiaramanidina manokana ary dia nalefa nody tsy nitondra azy intsony ilay nitondra azy teo aloha. Ny hofan’ny fiaramanidina kely iray anefa dia 6 tapitrisa isan’ora  ary ny hofan’ny angidimby kosa dia 3 tapitrisa ariary isan’ora. Ireo minisitra 12 niara-dia taminy sy ireo mpanaraka azy dia tsy maintsy niditra hotely farafaharatsiny in-dray alina. Raha atao izany ny kaonty dia efa ho 300 tapitrisa ariary indray no lany nanaovana ny fivezevezena fotsiny ihany ho an’ny manampahefana. Raha atao ny kajikajy tsotsotra dia ny vola lany tamin’ny fivezevezen’ny manampahefana indray no betsaka noho ny vola natokana ho an’ireo fianakaviana sahirana. Tsy vao izao moa ny tranga toy izany no tsikaritra fa efa matetika mihitsy. Any Frantsa, ohatra, dia 13 000 euros eo ho eo ny karaman’ny filoham-pirenena frantsay isam-bolana. Ny masoivohon’i Madagasikara, firenena anisan’ny mahantra indrindra eto ambonin’ny tany kosa dia 25.000 euros isam-bolana no karamany kanefa dia mbola trosa avokoa ireo vola fampandehanan-draharaha eto amintsika. Anasan’ireo masoivoho vahiny vangy isika. Omaly, tany Foulpointe dia ny country manager an’ny banky iraisam-pirenena indray no namatrapatratra nampatsiahy ny maha tany mahantra indrindra an’i Madagasikara kanefa toa tsy misy fiantraikany amin’ny fomba fiasan’ny mpitondra izany fa mbola fandaniana mihoapampana ihany no ataon’izy ireo.

 Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT