Politique

Rodoben’ny Malagasy Tia Tanindrazana Ny fihaonamben’ny mpanao politika ihany no vahaolana


  • Alatsinainy 18 Jona 2012

Tafiditra amin’ny fankalazana ny faha herintaonan’ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina ny hetsika nokarakarain’izy ireo, ka nanasany ny filoha nasionaly, ny profesora Zafy Albert ny sabotsy tolakandro teo, tao Toamasina.

Nahitsy fiteny tamin’ny kabary nataony ny Printsy Elakovelo fa “tsy vahaolana amin’ny famahana ny krizy Malagasy ny fampihaonana fotsiny an’Atoa Ravalomanana sy Rajoelina tian’ny SADC hatao io. Mila mifampiresaka amin’ny mpanao politika Malagasy izy mirahalahy mianaka ireo raha te-hanao izany satria ny vahaolan’ny krizy eto amintsika dia ny dinika iarahan’ny mpanao politika rehetra sy izy efa-dahy mianaka efa nandrafitra ny fifampidinihana hatramin’izay ary ny mpanao politika tsy misy hanavahana”. Atoa Kotomanantsoa Rémi, filohan’ny Rodobe Toamasina kosa dia nanambara tamin’ny resaka nifanaovana taminy fa hanenina amin’ny fialany ao anatin’ny maro ny ankolafy Ravalomanana ireo.

Ny tolona iarahana mantsy no handresena ny fahavalo iombonana, ary tsy tokony hatao sakana ny tsy fitovian-kevitra, satria tsy ny seza no mahamaika anay fa ny famahana ny krizy sy ny fametrahana fitondrana tetezamita tena izy tsy misy an’ingahy Andry Rajoelina noho izy mpanongam-panjakana”. “Leo ny fitondran’ingahy Rajoelina ny olona, ka na izy mametra-pialana mora dia miravona tsy hisy ady an-trano isika, na izy hiziriziry dia hampisy korontan-dava sy tsy fahandriampahalemana ary sakoroka foana eto”, hoy ireo mpiara-dia amin’ny Rodoben’ny Malagasy Tia Tanindrazana nanentana ny olona tao Toamasina sy noraketin’izy ireo tamin’ny sorabaventy naranty.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT