Politique

Rodoben’ny Malagasy Nitohy tao Toamasina ny ampamoaka


  • Alatsinainy 26 Septambra 2011

Niranty tao amin’ny Magro Tanambao V ireo ampamoaka lehibe nataon’ny Profesora Zafy Albert, nanaovany vaky bantsilana ny vokatry ny tsy fahaiza-mitantana nataon’ny FAT tao anatin’ny 3 taona.

 Tamin’ny alalan’ny sorabaventy no nanehoana izany. Samy gaga sy taitra avokoa ny nahita izany, na ireo mpandalo, na ireo mpitolon’ny Rodobe niatrika ny hetsika ny sabotsy teo. Ankoatra izay dia nifandimby nanazava ny fipetraky ny raharaha politika sy ny mikasika ny tondrozotra ireo nandray fitenenana. Ho an’i Kotomanantsoa Rémi, dia nambarany fa “fandresena ny fahavitan’ny sonia iny tondrozotra iny, raha nihevitra zavatra nifanohitra tamin’iny ny FAT sy ny mpiara-dia aminy. Ho hitantsika eo ny tohin’ny raharaha satria dia hiverina eto indray ny iraky ny Troika, ny talata izao”. Ny Me Rasamimaka Mahefalahy kosa dia nanipika mazava fa “tsy hisy fankatoavana izany eto raha tsy hajaina iny tondrozotra iny”. Raisiny ho fanambaniana ny asan’ny vaditany kosa ny fikasan’ny FAT handefa “commando” folo hisamborana ny filoha Marc Ravalomanana ao Afrika Atsimo. Nahitsy kosa ny tenin’i Victor Hong nilaza fa “isaky ny manao raha manjary ny mpitondra iray dia aongana foana eto amintsika, misy ireo olona tena mpanao izany eto ary mbola ao anatin’ny FAT ankehitriny, ka izay no mahatonga izao zava-misy misaritaka sy miovaova be izao”. Anisan’ny niditra tamin’ny antso an-tariby nivantana nitondra fanazavana sy nankahery ny mpitolona rodobe Toamasina koa ny mpitarika ny GTT Genève, Rtoa Patricia Lehmann sy Rasolofoniaina Darsot, izay nilazan’izy ireo ny hanohizana hatrany ny tolona ary tsy hatahotra hilaza ny marina.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT