Politique

Rodoben’i Toamasina Misy “virus” te hampisaraka ny mpitolona


  • Alatsinainy 12 Martsa 2012

Hafa noho ny fanaony ny hetsiky ny Rodoben’i Toamasina ny sabotsy 10 martsa teo. Raha vaovao mikasika ny raharaham-pirenena no nandrasan’ny mpitolona, dia tsy izay no reny fa fifanasana vangy.

 “Nidirana Virus ny Rodoben’i Toamasina”, hoy ny mpitolona nahita ny zava-nisy. “Misy andian’olona mihevitra ny handrava ny tolona mihitsy ankehitriny, ka mampiady an-trano”, hoy hatrany ireto mpitolona ireto. Nivoaka an-kianja ny ady mangatsiaka nikotrika ho an’ny milaza ho mpitolona sasany te hahazo laka sy te hoderaina. Niseho masoandro ny fikasana ny hampizarazara ny fiarahana eo amin’ny tolona niarahana sy nifanarahana hatramin’izay. Ao anatin’izay, misy amin’ireo milaza ho mpitolona sasany manaraka sy manao “sotro lava tango” ka mahay milaza sy mitondra teny “mandainga” sy “mampiady” ary miafina ao anatin’ny hoe “tsy manohana olona fa foto-kevitra” amin’ny hetsika ataony, ka mahatonga ity olana eo anivon’ny Rodobe Toamasina ity.

Na izany, niezaka ny nandamina ny raharaha ny mpitarika ny Rodobe ao Toamasina, Kotomanantsoa Rémi, izay nilazany fa “tsy miova ny tolona niarahana teto raha tsy efa mivaly ny fangatahantsika, dia ny fampodiana ny sesitany politika, ny famoahana ny gadra politika, ny fanokafana ny haino aman-jery nahidy ary ny fampitoviana lanja ny Faritra rehetra amin’ny falalahana sy ny fampiharana ny demokrasia”, ary mbola nampiany ihany koa fa “isaky ny tapa-bolana ny hetsiky karakarain’ny Rodobe Toamasina miaraka, ao anatin’ny faran’ny herinandro roa hafa kosa dia anjaran’ny ankolafy tsirairay no manomana ny hetsika ataony, fa manotrona izany ny ankolafy hafa”. Ny Me Rasamimaka Mahefalahy kosa dia ny fahanginan’ny filoha Marc Ravalomanana no nohazavainy, teo koa ny antony nahatonga ny ankolafy Ravalomanana niditra sy tsy hiala ao anatin’ny governemanta sy Parlemanta iraisana. Mazava kosa ny nambaran’i Victor Wong, “mahaiza isika manao tsia sy manda ny tsy mety”, tokana ny tanjona “miala ny FAT” ary atao ny “fampihavanam-pirenena” tena izy.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT