Politique

Rodoben’i Toamasina Manameloka ny fiasan’ny SADC


  • Zoma 10 Aogositra 2012

Mibaribary ankehitriny fa fandrirarirana nataon-dRajoelina avokoa no tsy nahatanteraka ny fifanarahana rehetra natao amahana ny krizy Malagasy.

 Anisan’ny tenin’Atoa Kotomanantsoa Weng Rémi, mpikambana ao amin’ny Rodoben’i Toamasina mpikatroka ao amin’ny ankolafy Zafy Albert io. Tafiditra ao anatin’izany, hoy izy, ny fifanarahan’i Maputo tany ivelany ary ny fampiharana ny voalazan’ny sori-dalana nataon’ny rehetra sonia. Manameloka ny fiasan’ny SADC ny Rodoben’i Toamasina, hoy ity filohany ity, satria efa hita mibaribary ny fahadisoana ataon’i Andry Rajoelina nefa tsy misy fandraisana andraikitra ataon-dry zareo.

Inona no andrasana tsy hampiharana ny sazy amin-dRajoelina ? Meloka amin’izay nataony izy, hoy ity mpanao politika ity, ary meloka tahaka azy koa ny SADC tsy mandray ny andraikiny. Miantso ny olom-pirenena rehetra hijoro izahay Rodoben’i Toamasina, hoy ity filohany ity, hijoro sy hitsangana amin’izay fa tsy io mpanongam-panjakana io izay tsy manana finiavana hamaha izao krizy izao mihitsy tsy akory no hampijaly antsika eto. 

 
Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT