Politique

Rodoben´i Toamasina “29 febroary ihany no fantatray”


  • Alatsinainy 27 Febroary 2012

Na teo aza ny oram-be sy tafiotra mafimafy ihany, tao Toamasina ny sabotsy teo, dia tsy nanakana ny hafanam-pon´ireo mpikatroka ny rodoben´i Toamasina nanao ny hetsika teo an-tokotanin´ny Magro Tanambao V izany.

 Nanam-bahiny koa izy ireo, nahitana an´ny pasitera Edouard Tsarahame sy ny ekipan´ny VOT nasionaly. Samy nasiaka sy hentitra avokoa ireo nandray ny fitenenana. Ho an´ny pasitera Edouard Tsarahame dia tsy niholaka izy nilaza fa “tsy te hahalala izay ambara eo izahay, ny fantatray dia ny fanajana ny datin´ny 29 febroary. Efa fahazarana ho an´ny FAT ny tsy manaja ny fe-potoana nomena io, ka hahita raha izy ireo manomboka ny alarobia io”. Nahitsy koa ny nambarany fa “tsy misy malagasy nifidy ny FAT ho filohan’ny tetezamita, fisandohana andraikitra tsy nomen´ny vahoaka izany. Ny samy mpanao politika nifanaraka sy ny vondrona iraisam-pirenena nifanaraka no naha filoha ny FAT an´i Andry Rajoelina”.

Nomarihan´ity pasitera ity hatrany fa “tsy ady gasy no misy eto fa gasy miady, ary tsy tokony ho tondrozotra no hiantsoana iny fifanarahana nifanaovana sonia iny, satria tsy misy zotra tondroiny mihitsy, fa sori-dalana satria manoro ny lalana tsy maintsy alehan´ny firenena Malagasy sy ny mpanao politika”. Ho an´ny ekipan´ny VOT kosa, dia nambaran´izy ireo fa “ny olona maty niisa 58 teny ambohitsorihitra nentina hovonoina, no hanenjehana ny filoha Ravalomanana sy handatsana ny filoha Ratsiraka, nefa ataon´ny FAT tsy hita ireo olona novonoiny ny 26 janoary sy ny maro taorian´izay ary indrindra ireo vahoaka namoy ny ainy noho ny asan-jiolahy tsy voafehy sy ireo matin´ny fahantrana an´arivony tao anatin´ny 03 taona”. “Aminay, aza asiana izany famotsoran-keloka izany fa ho hita eo izay mila sy mitady azy io afaka fotoana fohy”, hoy ny VOT. Ankoatra izany, hisy ny fitaterana olona avy aty amin´ny faritra mandritra ny hetsika goavana hokarakarain´ny rodoben´ny Malagasy ny alarobia 29 febroary izao, ao amin´ny villa Elizabeth Ivandry. Ho hita eo ny tohiny…

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT