Politique

Rodobe Toamasina Vonona hitsena ny amiraly Ratsiraka


  • Alatsinainy 21 Novambra 2011

Rodobe Toamasina Vonona hitsena ny amiraly Ratsiraka

 Nambaran´izy ireo fa “tsy azo ekena ny fandikana vilana ataon´ny filohan´ny FAT ny tondrozotra sy ny fanaovany tery vaimanta ny praiminisitra hanaraka ny sitrapony ka mitetika ny hametraka ny heviny sy ny politika mandeha ila mahazatra azy ireo, amin´izao efa fametrahana ny fiaraha-mitantana izao”. Nohamafisin´ireo ekipan´ny Rodobe Toamasina ireo ihany fa tsy misy voalobo-jaza eto ka teren-ko masaka fotsiny. “Mila miresaka sy mifanaraka ny rehetra mpanao sonia ny tondrozotra amin´ny fanapahana horaisina, ary tsy natao hanapaka ny fametrahana ny governemanta ny filohan´ny FAT, fa natao fotsiny hamoaka ny didim-panjakana mamaritra sy mametraka azy ireo. Anjaran´ny praiminisitra ny fandrafetana ny ho mpiara-miasa aminy araka ny voalazan´ny tondrozotra sy ny maha panohitra sy mpomba ny fitondrana ny vondrona politika misy”.

Hentitra anefa ireto ekipan´ny Rodobe Toamasina ireto fa “tsy sakana amin´ny tsy fahatafantsanganan´ny governemanta izahay, fa tsy maintsy mandray fepetra kosa raha misy ny tsy mety sy fahitana ny tsy ara-dalàna. Tsy maintsy tafatsangana amin´ity herinandro ity ny governemanta, ary tsy maintsy hanaraka ny tondrozotra sy ireo fifanarahana efa niarahana nanao sonia hatramin´izay ihany koa”. Ankoatra izay, dia milaza ny hanomana ny fitsenana ny amiraly Ratsiraka ho avy amin´ity herinandro ity ihany koa ny ekipan´ny Rodobe Toamasina, ary efa manomana ihany koa ny fitsenana izay ho fahatongavan´Atoa Ravalomanana. Raha ny fanazavana an-jorony azo nandritra ny hetsiky ny Rodobe tao Toamasina ity mantsy, dia tsy maintsy hatao ato ho ato ny fivoriana an-tampony eo amin´ireo filohan´ny ankolafy efatra sy ireo vondrona politika nanao sonia ny tondrozotra, izay alaolana tsara amin´ny fialana sy handaminana ny krizy Malagasy.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT