Politique

Rodobe Toamasina “Praiminisitra tsy mahatapa-kevitra : miala !”


  • Talata 07 Febroary 2012

Nanao hetsika teo an-tokotanin’ny Magro Tanambao V, ny Rodobe Toamasina notarihan’ny filohany Kotomanantsoa Rémi sy ny lefiny Me Rasamimaka Mahefalahy ny sabotsy teo.

 Nanotrona azy ireo ry Lalatiana Ravololomanana, Tabera Randriamanantsoa ary ny pastera Edouard Tsarahame. Somary nasiaka sy nahitsy fiteny avokoa ireo nandray fitenenana raha niresaka ny fizotry ny raharaha politika tato ho ato, indrindra ny sabotsy farany teo tamin’ny namoahana NOTAM hafahafa, nanakanana ny tsy hodian-dRtoa Lalao Ravalomanana an-tanindrazana. “Praiminisitra tsy mahatapa-kevitra, praiminisitra saribakolin’ny FAT... Tsy azo ekena izany, ka miala fa mpiray tsikombakomba amin’ny fahoriana sy ny fahantrana ary ny zava-misy tsy hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena”. Nivantana mihitsy ny tenin-dRtoa Lalatiana Ravololomanana, izay nilazany fa “efa praiminisitra mpanatanteraka ny jadona FAT no misy, ka tsy ilain’ny Malagasy intsony, manginy fotsiny ny fikasana ny hamono ny profesora Zafy nataon’ny Emmo-Reg nefa nangina ny praiminisitra”. Ny pastera Edouard Tsarahame koa dia nasiaka fiteny koa, ka nanambara fa “ny raharaha 07 febroary 2009 ihany ve izany ny Malagasy maty noho krizy ? Tsy Malagasy izany ireo maty ny 26 janoary 2009 sy ny taorian’izay ary ireo vahoaka maty noho ny hanoanana sy ny asan-jiolahy samy hafa izay efa an’arivony tao anatiny telo taona ny krizy nataon’ny FAT”. Atoa Kotomanantsoa Rémi sy Me Rasamimaka Mahefalahy kosa dia niara-nilaza fa raha mbola manao izay saim-pantany ny FAT dia eto foana ny tia tanindrazana hanavotra ity Madagasikara tadiavin’ny FAT halentika ity.
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT