Politique

Rodobe Toamasina Nisafidy ny tsy hiditra ao anaty sambo efa ho rendrika


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2011

Nisongadina io nandritra ny hetsika nataon’ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina tao an-tokontanin’ny Magro Tanambao V ny sabotsy teo.

 I Dahy Emilien, mpitarika ny ankolafy Ratsiraka, no nanamafy fa efa nisafidy ny tsy hiditra ao anatin’ny sambo efa ho rendrika izy ireo, ka “tairo ny namana mbola matory loatra voky ny volam-bahoaka ka sao rendrika tsy mahazo salotr’aina ao”. Me Rasamimaka Mahefalahy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana kosa dia niezaka ny nanazava tamin’ny mpiara-mitolona ny fehi-kevitry ny Luanda farany teo, izay nilazany fa “tapitra hatreo ny asan’ny Dr Simao, tetezamita iaraha-mitantana no tsy maintsy hatsangana, tsy maintsy hifarana tsy ho ela koa ny krizy ary mody tsy misy fepetra ny filoha mirahalahy Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka”.

Ny filoha mitarika ny rodobe Toamasina, Kotomanantsoa Rémi, kosa dia nilaza fa hanam-bahiny goavana ny rodobe Toamasina ny sabotsy ho avy izao, satria hanao rodobe ao Toamasina ny ekipan’ny rodobe nasionaly tarihan’ny filohany Zafy Albert. Ankoatra izay, dia mpandray anjara mavitrika amin’ny hetsika ny GTT Genève Toamasina. Nampahafantarina am-pehibe-maso koa ny mpitarika ny rodobe Analanjorofo, tarihan’Atoa sy Rtoa isany David, Frorentine ary Tiana. 

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT