Politique

Rodobe Toamasina “Mitohy ny tolona fa be marenina ny FAT”


  • Alatsinainy 30 Janoary 2012

Nitohy tahaky ny fanaony isaky ny sabotsy tolakandro ny hetsiky ny Rodobe ao an-tokotanin’ny Magro Tanambao V.

 Niompana tamin’ny fanazavan’ny CST Rasamimaka Mahefalahy mikasika ilay fanapahana noraisin’ny Troika-n’ny SADC farany teo tany Pretoria sy ny tsy nahafahan’ny ekipa nalefan’ny FAT niatrika fivoriana teo anivon’ny Vondrona Afrikanina, ny lahateniny rehetra sy ny fanazavana nataony. Nambaran-dRasamimaka fa raha tsy tanteraka ny andininy faha-16, 17, 18, 19 ary 20 ao amin’ny tondrozotra dia aza manantena ny hahazo fankatoavana izany mihitsy, ary mbola eto misaritaka eto foana isika amin’ity taona ity. “Mitohy ny tolona satria manao be marenina ny FAT”, hoy izy. Nomarihany koa fa “efa sasatry ny afa-baraka eran-tany, efa sasatry ny voatondro molotra sy voaroaka amina fivoriana avo lenta sy fihaonana samy hafa, fa mety tsy tonga saina ihany hanova ny fomba fanao sy ny famindra efa tsy eken’izao tontolo izao”. Tsy nisalasala moa Rasamimaka Mahefalahy nanambara fa “tsy misy atahorantsika izany famontsoran-keloka ampitambazana ny filoha Ravalomanana izany. Maro ny pitson-dalàna tsy maintsy arahina mikasika ny fanasaziana azy. Amin’ny lalàna dia tsy meloka ny filoha Ravalomanana ary tsy misy azo atao aminy raha vao tonga eto an-tanindrazana izy ka manohitra ny didy navoaka hanenjehana azy sy mampiakatra izany amin’ny ambaratongam-pitsarana hafa. Izay no atahoran’ny FAT ka mahatonga azy hanao izay hisamborana azy, nefa nofy izany”. Niatrika ny hetsika ny mpikambana ny CT mianadahy sy ireo avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, tsy tonga kosa ny ankolafy Zafy Albert sy Ratsiraka, ny sabotsy teo.
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT