Politique

Rodobe Toamasina Mitaky ny hananganana tetezamita “tena iraisana”


  • Alatsinainy 21 Mey 2012

Nifampitaona tamin’ny mponin’i Toamasina tao amin’ny sekoly Arema “Hery Mahiratra” Ankirihiry Avaratra, ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina ny faran’ny herinandro teo, nentiny nankalazana ny faha-herintaona nijoroany.

 Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Rodobe Toamasina, Kotomanatsoa Rémi. Hiakam-pitolomana amin’ny fialan’ny filohan’ny tetezamita sy ho fananganana fitondrana tetezamita “tena iraisana” no nahoraka nandritra ny lanonana ny sabotsy tolakandro teo. Nivantana ny filazan’i Kotomanantsoa Rémi nanambara fa “rehefa tsy mahavita dia mialà fa efa tena an-tenda ny fahantran’ny vahoaka, ny mpitondra anefa migalabona sy manararaotra izany ka manao be lazao”. Namafisiny fa “aminay Rodobe dia tsy misy ny vahaolana eto raha tsy mametra-pialana ny filohan’ny FAT”. Nampantsiahy ny tenin’i Andry Rajoelina koa i Kotomanantsoa Rémi mikasika ilay hoe: “Raha misy olona arivo fotsiny midina an-dalambe mangataka ny fialako dia hiala aho fa tsy hidongy seza tahaka ireo mpitondra teo aloha tsy tian’ny vahoaka”, nefa nolazainy hatrany fa “efa ny ankamaroan’ny Malagasy no mangataka ny fialany, izay mahatonga ny fitokonana etsy sy eroa ireo, dia mbola mihizingizina midongy seza nanankianany ireo filoham-pirenena teo aloha ny tenany”. Ny masoandro mody no nampalahelo io sabotsy io ho an’’ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina ity, satria ny tarika Onja no nanafana ny lanonana. Nitohy tamin’ny alim-pandihizana tao amin’ny trano fisakafohanana “Le Bateau Ivre” ny fety.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT