Politique

Rodobe Toamasina Miomana fa ho avy ny filoha Ravalomanana


  • Talata 27 Desambra 2011

Nitohy ny sabotsy teo tao an-tokotanin´ny Magro Tanambao V, ny hetsiky ny Rodoben´i Toamasina fanao isaky faran´ny herinandro.

 Nandritra ny hetsika no nilazan´ny CST Rasamimaka Mahefalahy fa “miomana hatrany isika, fa tsy ho ela dia ho avy ny filoha Ravalomanana, na eo aza ny sakana sy fikasana hanakana ny fidirana sy ny fiverenany ataon´ny FAT”. Nambaran´ity CST ity ihany fa “efa mitsangana ny komity manokana amin´ny fitsenana sy ny fandraisana ny filoha Ravalomanana io, ka eo am-pandaminana ny fomba rehetra hahatongavany sy hiarovana ary handraisana azy ny komity nasionaly izao”. Nahitsy kosa ny CT Iandro Robertson (Sôlamena) fa “tsy hisy hahasakana ny fiverenan´i Marc Ravalomanana eto na harangaranga toy ireny aza ny filazana ny fanamelohana azy. Olona tsy nanao ratsy iny olona iny fa enjehin’ny FAT noho ny ory hava-manana sy ny halako bika tsy tiako tarehy fotsiny”. Mitohy hatrany ny hetsiky ny Rodobe Toamasina isaky ny sabotsy raha mbola any ivelany ireo sesitany politika sy mbola any am-ponja ireo gadra politika. Hetsika hafa kely izany no hitranga ny sabotsy izao izay hamaranana ny taona 2011.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT